Politique

Manandafy Rakotonirina “Eny Antanimora no hiafaran-dRajoelina”


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010

“Kely sisa dia afaka hamaky ny Kianjan’ny 13 mey isika”, hoy i Manandafy Rakotonirina tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 21 aogositra teo.

Ny herim-bahoaka no hitsaran’ny olona antsika, hitsaran’ny olona an’i Andry Rajoelina, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny antoko MFM. Nisy ny karazam-pivoriana natao, hoy izy saingy ny andro sy ny fehin-kevitra no samy nanana ny azy. Nanantena i Andry Rajoelina fa raha nisy olona vaovao nanao sonia niaraka taminy dia hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena izy kanefa dia famazaina aza no azony ary dia mbola mitohy izany. Ny fehin-kevitry ny SADC tany Namibia tokoa manko dia nilaza fa mitohy ny sazy nomena an’i Andry Rajoelina sy ireo mpiray dia aminy tamin’ny fanonganam-panjakana, ka asa, hoy i Manandafy raha hanampy azy ireo koa ireo 80 vaovao, hampitombo isa ireo efa voasazy. Nohamafisiny fa dia arahin’olona maso i Madagasikara. Ireo tia tanindrazana tsy hoe tsy misy atao fa mijoro amin’ny heviny. Ny Vondrona Afrikanina, ny SADC no tsy namela an’i Andry Rajoelina hiteny tany New York, mbola izy ireo ihany koa no nanakana ny fanjakana frantsay ka nahatonga an’i Nicolas Sarkozy tsy nanasa an’i Andry Rajoelina ka tsy nahalasa azy tany Nice, Paris, hoy ihany izy nanazava. Araka izany dia tsy afaka mandeha na any Afrika, na Eoropa, na Amerika, Azia no hany handrasana, saingy “miankina amin’ny herim-bahoaka, amin’ny herinareo izany”, hoy izy. Tsy nisalasala ity mpitarika ny “Mafana” ity nilaza fa dia ho eny no Antanimora hiafaran-dRajoelina. Ho avy manko ny fotoana tsy maintsy hifampidinihana, hoy izy, ka ny tsara indrindra ho an’i Andry Rajoelina dia ny miala, hoy ihany i Manandafy Rakotonirina.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT