Iray amin’ireo mpitarika eo anivon’ny ny ankolafy Ravalomanana i Manandafy Rakotonirina, izay filoha nasionalin’ny antoko MFM. Tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ny tenany, hizara ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny izay mihazakazaka tokoa, indrindra eo ny zava-misy eo anivon’ny tafika Malagasy.
Tia tanindrazana (T.T) : Ahoana ity zava-misy eo anivon’ny Foloalindahy ity ?
Manandafy Rakotonirina (M.R) : Faniriana ny tsy hisian’ny ra mandriaka. Ny Emmo-Reg no mandatsa-dranomaso ny olona izay tsy manana afa tsy tanam-polo milahatra, miaro ary mampiseho ny heviny. Ny heno avy eny Ivato hatramin’izao dia fandalana ny governemanta hiaraha-mitantana, iarahana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Anisan’ireny ny fampihavanam-pirenena, ny famafan-keloka tsy anavahana, ny fiverenan’ireo sesitany tsy rehetra, toa an’ingahy Ratsiraka sy Ravalomanana. Tsy ireo manamboninahitra miteny ireo no miavona sy misetrasetra fa ny FAT.
T.T : Inona no mety ho vokatry ny hetsik’izy ireo ?
M.R : Ho afa-po ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary ho azo ny fankatoavana amin’ny tena tetezamita raha ny nambaran’ny miaramila teny Ivato no tanterahina. Manala fahasahiranana antsika, indrindra amin’ny resaka famatsiam-bola ary hiteraka fifampatokisana eo amin’ny mpiara-monina rehefa ajanona ny antsojay sy ny herisetra amin’ny fanagadrana olona sy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Dingana lehibe amin’izany ny famoahana ny gadra politika rehetra hirosoana amin’ny fandaminana ny tany sy ny fanjakana mankany amin’ny demokrasia eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Hevitra efa noraketin’ny fifanarahana tany Maputo I ny famoahana ireo gadra politika sy ny fampodiana an-kalalahana ireo sesitany rehetra toa an’ingahy Ratsiraka sy Ravalomanana. Zava-dehibe ho an’ny firenentsika rehefa miaramila, manamboninahitra no miaro ny hevitra sahala amin’izay. Ny tenako Manandafy Rakotonirina sy ireo niaraka tamiko ihany no mba vita fitsarana hatramin’izay ka hatramin’izao na dia tsy nahafa-po aza ka tsy hitako izay handavana an’izany ho an’ny rehetra. Ary tsy mila fitsarana akory fa avoaka tahaka an-dry Voninahitsy, Pety ary ny jeneraly Fidy.
T.T : Inona no soso-kevitrao ?
M.R : Soso-kevitray dia hoe ajanony ny fampiadiana ny miaramila sy ny sivily, ny fandranitana. Avelao ny olona hiteny, anisan’izany ny miaramila izay tokony hilaza ny heviny ihany koa.
TT : Raha samy miziriziry, tsy hisy ra mandriaka ?
MR : Miresaka ! Efa misy olona natokana ho an’izany. Efa mahatsapa ny tafika fa ajanona ny fampiasana herisetra. Efa nisy manko ny tamin’ny 2002. Vokany, tao ireo lasa sesitany, very fananana, maty sy ny maro hafa. Rehefa manaiky hiresaka ny olona hanao inona ianao ? Miala foana no iafarany. Isika izao miomana amin’ny fitsenana an-dRatsiraka sy Ravalomanana raha milamina io.
T.T : Momba izay indrindra, misy ifandraisany amin’ny fahatongavan’ny Amiraly ve io hetsiky ny manamboninahitra io ?
MR : Tsy misy hifandraisany amin’ny fahatongavan-dRatsiraka kah !
T.T : Re fa volabe avy amin’ireo filoha 2 lahy no antony hihetsehan’ireo miaramila ireo ?
M.R : Avy any Maputo aho ny volana aogositra dia saika nosamborina, novonoina fa ny RFI no niaro ahy. Tsy fantatro ireo olona ireo ary tsy nomeko vola fa mahalala ny hevitra sy ny zavatra arovany izy ireo. Tsy misy vola avy amin-dRavalomanana na Ratsiraka izany na koa Manandafy izany. Efa nisy zavatra nataon’ireo tsy nisy tambiny.
TT : Ny sivily eo anatrehan’izany ?
MR : Mila apetraka amin’ny sivily ny andraikitra. Ny kilasy politika eto mihitsy koa no tsy mahay mifandamina. Efa manao ny miaramila, ny sivily kosa manohy ny fanehoan-kevitra am-pilaminana sy mihaja, tsy manimba fananan’olona.
Nangonin’i Soa
Sary : Manandafy Rakotonirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.