Politique

Manandafy Mahery Lanto “Tokony hitandrina ny mpitondra”


  • Talata 27 Septambra 2016

“Tokony hitandrina ny mpitondra fanjakana manoloana ny toe-draharaha misy eto Madagasikara”, hoy i Manandafy Mahery Lanto.


 Fanehoan-kevitra voalohany nataony io taorian’ny nanambarany fa hiala tsy ho ekipan’ny Prezidansa intsony izy. Nanipika mazava ity zanaky ny filoha nasionalin’ny antoko MFM ity fa “mandalo fotoan-tsarotra ny firenena”. Na efa mivoha aza ny lalam-bola, hoy izy, dia mbola mila fotoana ny hikarakarana izany ary tsy ho tsapan'ny vahoaka izao dia izao ny vokany. Fito taona tsy nisy fifanarahana tamin’ny mpamatsy vola intsony rahateo i Madagasikara ka tsy ho vita indray andro ny mamerina an'io. Marina fa mandrangitra ny mpanohitra, hoy i Manandafy Mahery Lanto fa tsy mety raha mbola miampy herisetra avy amin'ireo mpitondra fanjakana. “Ny Vahoaka efa mahatsapa mijaly mbola miampy daroka koa”. Mila fahendrena sy fahatoniana ny mitantana Fanjakana ary “ny tsapako raha vao miala eto an-toerana ny Filoha dia mirongatra daholo”, hoy ity tanora mandalina politika ity. Tsy maintsy mbola hangataka fiafiana amin'ny vahoaka ny mpitondra, hoy ity farany, satria sarotra ny toe-draharaha. Ka raha tsy tiana hahazo vahana ny mpanohitra dia “ny fifandresen-dahatra no tokony hatao fa tsy ny fampiasana sandry” fa vao mainka potika ny tanindrazana raha toa ka mirongatra ireo. “Aoka izay ilay herisetra tafahoatra mba hahafahana mandamina ary hirosoana amin'ny ady amin'ny fahantrana sy ny fampandrosoana, fa lany fotoana miaro seza fotsiny”, hoy i Manandafy Mahery Lanto namarana ny teniny.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT