Nangorompotsy tao amin’ny kianjan’ny demokrasia ary dia ny masoandro mody no nampalahelo. Izay no mahafintina ny zava-nitranga tao Manakara ny tolakandron’ny sabotsy 19 jona teo.
Nanao fampisehoan-kery ny mpanohana ny Ben’ny tanàna manoloana ny antsojay atao amin’ity olom-boafidy ity, taorian’ny namoahan’ny governemantan’ny FAT didim-pitondrana in-droa miantoana manendry delegasiona manokana hitantana ny tanàna. Nivoaka ny 19 novambra 2009 ny didim-pitondrana voalohany manendry an’i Sileny Alban ho PDS, miampy olona roa ho lefiny. Nofoanan’ny Filankevi-panjakana tanteraka ny fampiharana izany didim-pitondrana izany araka ny didy nivoaka ny 18 martsa 2010 avy nampiatoana araka ny didy nivoaka tamin’ny volana janoary 2010 ihany. Namoaka didim-pitondrana manamafy ny fanendrena efa nofoanan’ny Filankevi-panjakana indray ny Ministeran’ny Atitany ny 21 mey 2010. Niteraka savorovoro tao Manakara ny fivoahan’io didim-pitondrana io. Ho an’ny any an-toerana dia mampibaribary ny tsy fanarahan-dalàna izany, ary dia tsy nipetra-potsiny ny vahoaka ka naneho fa any aminy ny fahefana. Nifanome fotoana teo amin’ny kianjan’ny demokrasia Manakara izy ireo ny sabotsy teo. Feno hipoka ny kianja. Ny tsy nampoizin’ny maro dia ny avy amin’ny Komity Miaro ny Demokrasia, izay nitarika ny hetsi-bahoaka tao Manakara tamin’ny 2009, mihitsy no nijoro niaro ny safidim-bahoaka.
Mme Jeanne avy ao Mangarivotra dia namerina sady nanamafy fa «ny nifanarahana teto amin’ny kianjan’ny demokrasia dia hanala an’i Marc Ravalomanana fa tsy hanala an’i Andriano Giscard». Nanamafy ny filazany ny Me Lajio izay nilaza fa «raha samy tolona no lazaina dia tokony ho PDS koa ny tenako. Tsy mila olona antitra izahay fa aleo ny tanora hiasa». Ho an’i Eugène dia mazava ny teniny : «aza hitsakitsahana ny safidim-bahoaka». Tsy ny Ben’ny tanàna sy ny mpanatanteraka niara-niasa taminy ihany mantsy no lasibatra amin’ilay didim-pitondrana navoakan’ny Ministeran’ny Atitany, nosoniavin’i Manorohanta Cécile, ny 21 mey 2010 fa hatramin’ireo mpanolotsaina monisipaly dia voailika ary hataon’ny Delegasiona manokana avokoa ny asan’ny mpanatanteraka sy ny mpanolotsaina. Azo antoka fa izay no nampiakatra afo ny vahoakan’i Manakara. Raisin’izy ireo ho fanosihosena ny safidiny mihitsy mantsy izany. Somary namely ankolaka an’i Marson Evariste sy ireo olon’ny FAT tonga tany Manakara nisisika ny hametraka ny PDS ny zoma 11 jona aza moa i Eugène tamin’ny lahateniny nilaza fa «traboina ny olona teto (Manakara) tamin’ny rivodoza ‘Hubert’ nefa tsy hita ianareo, fa rehefa politika dia mitonontonona ny anaran’i Vatovavy Fitovinany ianareo».
Nanao ny paika rehetra hanakanana ny olona tsy ho avy tao amin’ny kianjan’ny demokrasia ny mpomba ny PDS. Naely ny trakta fa tsy nampihemotra ny olona izany. Na ny mpitandro ny filaminana aza tsy niditra an-tsehatra, fa namela malalaka ity hetsi-bahoaka ity. Masoandro nilentika sy ny orana noraisin’ny olona ho tso-drano no nisarahana. Tsy levon’ny vavon’ny mpitondra ny havoriana tamin’io sabotsy io, ka dia re fa nandefa taratasy tamin’ny Ben’ny tanàna ny OMC, mandrara azy tsy hiditra birao intsony manomboka anio. Tantara mitohy …
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.