Politique

Manakara Nifampitsapa hery ny Ben’ny tanŕna sy ny PDS


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Mafanafana ny tontolo politika ao Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ao taorian’ny namoahan’i Manorohanta Cécile, fony mbola Praiminisitra lefitra misahana ny Atitany, didim-pitondrana manamafy ny fametrahana delegasiona manokana hitantana ny kaominina ambonivohitr’i Manakara ny 21 mey 2010.

Samy namory olona ny Ben’ny tanàna, Andriano Giscard sy ny PDS Alban Sileny omaly alahady 30 mey, sady fetin’ny Reny rahateo. Karazan’ny fifampitsapana hery ihany ny an’ny roa tonta, ny amin’ny hoe iza no manana olona sy mamim-bahoaka marina ao Manakara. Tao amin’ny kianjan’ny demokrasia no nanome fotoana ny vahoakan’i Manakara i Andriano Giscard sy ny mpiara-miasa aminy. Teny amon-dranomasina kosa ry Sileny Alban sy ny mpiara-dia aminy, no nifampizara nofon-kena mitam-pihavanana satria dia nisy famonoana omby raha toa rindran-kira no tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia. Betsaka raha zato teo ny olona tonga teny amoron-dranomasina, eny fa na ny Lehiben’ny Faritra Rakamisilahy Martial aza tsy tonga tao, hoy ny mpitantara avy any Manakara, raha toa ka nifanitsa-kitro mandra-pilentiky ny masoandro ny tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia. Mazava ny resaka ankehitriny, nasehon’ny mponin’i Manakara ny fanohanany ny Ben’ny tanàna, izay voafidim-bahoaka rahateo ny 12 desambra 2007 na teo aza ny fandrahonana niainga avy amin’ny trakta nataon’ny an-kilany naparitaka eran’ny tanàna ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy mba tsy ho avy tamin’io fihaonana tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia io. Hitety ireo kartie miisa 18 ao an-tanàna i Andriano Giscard amin’ity anio ity, «hanome hery ny vahoaka nefa koa hampakarana ny moralin’ny mpiara-miasa», araka ny filazany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT