Politique

Manakara Nahazo “tefa-tsofina” ireo namadika an-dRavalo


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Nanararaotra ny diany tao Manakara ka dia nitafa tamin’ireo mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao an-toerana i VyVato Rakotovao, minisitry ny fambolena ao amin’ny governemanta Camille Vital, ny sabotsy 18 jona teo.

 Tao amin’ny efitrano malalaky ny SIDI Hotel no nanaovana izany. Araka ny fantatra dia i Andriano Giscard, Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tao Manakara tamin’ny 2007 saingy nesorin’ny FAT, natao “ongo-manta” tamin’ny toerany ka nosoloina PDS, no nikarakara ity fihaonana ity. Ny TIM Manakara izay te hilaza ny zavatra manindrona ny fony amin’ny afitsok’ireo lohandohany ao amin’ity antoko ity izay nivadika ka sahy miteny ao Manakara fa tsy manaiky ny hodian’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Nisesisesy ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpikambana izay nitsikera ireo mpamadika palitao. Nahazo tefa-tsofina ireo namadika an-dRavalo, toy ity minisitry ny fambolena ity. Na ireo tsy mpandray fitenenana hatramin’izay aza dia niteny tamin’ity indray mitoraka ity satria tsy mbola noeritreretin’ny TIM Manakara hatramin’izao izany hiala na hitsipaka an-dRavalomanana izany, na dia ny fanenjehana tsy amin’ny rariny natao ireo mpitarika mafana fo tao an-tanàna nanomboka tamin’ireny taona 2009 ireny fotsiny aza, izay mitohy hatramin’izao. Raha ny adihevitra tao amin’ny SIDI Hotel tamin’io sabotsy io dia azo lazaina fa tsy mbola mivaky ny TIM Manakara hatramin’izao na dia fantatra fa misy mikaotikaoty ireo mpikambana any ambadimbadika any. Na teo aza ireo rehetra ireo dia nanolotra omby telo ny minisitra Vyvato ho nofon-kena mitam-pihavanana.

 

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT