Hanao an-terisetra tahaka ny efa fanaony indray ny mpitondra Fat. Fantatra mantsy fa ho tonga any Manakara amin’ny herinandro ny mpitondra FAT hametraka an-terisetra ny delegasiona manokana hitantana ny kaominina notendren’izy ireo.
An-terisetra satria efa fanindroany izao no notendrena ity Pds ity. Ny voalohany dia efa nolavin’ny fitsarana an-tampony tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny Conseil d’Etat ity fanendrena ity. Izao anefa dia hisisika hametraka azy ihany ny FAT.
Tamin’ny fetin’ny Reny teo dia fahafaham-baràka mihitsy ny an’ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy ity Pds ity dia i Sileny Alban izany. Samy namory olona mantsy na izy Pds na ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka Andriano Giscard. Henatra anefa satria raha 2 500 ny olona voavorin’ny Ben’ny tanàna tao amin’ny kianjan’ny demokrasia dia zara raha nisy 100 mahery no zakan’ny Pds. Faka lesona izany !
Tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna notontosaina ny 12 desambra 2007 dia anisan’ireo kandida nifaninana izy ka raha 68 isan-jato no vato azon’i Andriano Giscard ary nahavoafidy azy ho Ben’ny tanàna amin’izao dia zara raha nahazo 6 isan-jato i Sileny Alban. Izany no olona hatao Pds.
Anisan’ny mampalahelo ny mponina any Manakara amin’izao ihany koa ny hanoloana ny Ben’ny tanàna kanefa ny Ben’ny tanàna rehetra ao anatin’ny faritra tsy misy nisolo. I Andriano Giscard dia tsy nametra-pialana fa nametraka kosa fampandehanan-draharaha tamin’ny lefiny nandritra ny fotoana tsy naha teo azy.
Amin’izao fizirizirian’ny mpitondra FAT hametraka ity Pds ity izao dia zavatra roa no mety hitranga. Ny voalohany dia fanitsakitsahana ny zon’ny mpitsara satria efa nisy ny didy navoakan’ny Fitsarana tampony. Izany no mahatonga ny Sendikan’ny mpitsara tsy handray fanapahan-kevitra na fanendrena avy amin’ny mpitondra FAT intsony. Ny faharoa dia hitarika fikorontanana any an-toerana ihany koa izany satria tsy hanaiky ny vahoaka any. Mahatsiaro izy ireo fa voahosihosy ny zony, nifidy an-kalalahana tamin’ny latsabato niafina an’ny Ben’ny tanànany. Porofon’izany ny zava-nisy tamin’ny alahady fetin’ny Reny tamin’ny famoriam-bahoaka. Na dia nanao dokambarotra mialoha aza ny vadin’ny lehiben’ny faritra sy ny an’ny Pds fa hizara zavatra amin’io famorim-baohaka io dia zara raha nahazo olona 100 mahery izany. Mandeha aza moa ny feo fa dia ireo fanampiana natokana ho an’ny traboina no nozarain’izy ireo tamin’ireo mpomba azy tamin’io famorim-bahoaka io. Fa ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanelezana trakta tany an-toerana hampihorohorona ny olona mba tsy ho tonga tamin’ny famoriam-bahoaka nataon’ny Ben’ny tanàna satria voalaza tamin’izany fa hisy korontana. Tsy nanakana ny olana anefa izany ary tsy nisy ihany koa ny korontana. Ho hita eo ny tohiny amin’ny herinandro.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.