Manakara 58

70 ny mpiasa manohana ny Ben’ny tanŕna


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Nisokatra ny birao ary niasa toy ny andavanandro ny mpiasa rehetra tao amin’ny kaominina Manakara ny talata 20 aprily, na nisy andian’olona niezaka nanely vaovao fa hofantsihin’ny mpiasa ny biraon’ny Kaominina ka tsy hisy asa vanona tamin’io andro io, vaovao izay niely an-gazety sy tamina onjam-peo tsy miankina teto an-drenivohitra ihany koa. 

Namory ny mpiasa, izay misy 70 eo, ny Ben’ny tanàna, Andriano Giscard omaly. Nisy fanangonan-tsonia ny amin’izay vonona hiara-hiasa aminy. 58 nanao eny, hanohy ny lalana miaraka amin’ny Ben’ny tanàna, dimy nandà ary tsy vonona hiara-hiasa, ny dimy hafa tsy nilaza ny heviny ary roa ambiny tsy niasa fa nahazo fialan-tsasatra kely tamin’io fotoana io. Mazava ny resaka ankehitriny. Mpandoto rano no betsaka ao Manakara ary ny manely tsaho amin’ny haino aman-jery sy ny gazety no asany sy hainy. Na izany aza, eo anatrehan’ity fanangonan-tsonia omaly ity dia diso paika ireo niketrika hanakorontana ny tanànan’i Manakara.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT