Fikambanana tsotra manohana ny Tsia amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny volavolan-dalàmpanorenana ny Manajary Vahoaka. Teboka roa goavana no antony hanoherany ity volavolan-dalàmpanorenana ity dia ny mahakasika ny fampiasana ny fahefam-panjakana izay ambarany ho mivoana tanteraka.
Tsy hisy arofanina intsony ny fampiasana ny fitaovam-piadiana raha sanatria lany io volavolan-dalàmpanorenana io araka izay voafaritry ny andininy faha 56. « Io andininy io dia mamaritra mazava fa ny miaramila avy hatrany no miditra an-tsehatra amin’ny famerenana ny fahalemana eny anivon’ny fiarahamonina izany hoe voadingana ny polisy sy zandary izay hery fehezin’ny fehezan-dalàna famaizana araka ny fanazavan-kevi-dRakotoson Harotsilavo, filohan’ny Manajary vahoaka». Raha ny andininy faha-112 koa no dinihana dia tsy afaka hiasa ankahalalahana ihany koa ny mpitsara, hoy izy noho ny fisian’ny Fisafoan-dRaharaha Ankapobeny satria mitana anjara toerana goavana ao anatin’ity rafitra natao hanaramaso ny asan’ny mpitsara ity ny antenimiera sy ny governemanta izay manana solontena. « Misy foana ny teritery mahazo ny mpitsara amin’izao fotoana avy amin’ny solombavambahoaka na manampahefana hafa.
Tsy hilaozan’izay hanapa-pahefana anefa ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana sasany amin’ny alalan’ny fampiasany ny fahafantarany ireo solombavambahoaka ohatra ». Fa antony faharoa manosika ny Manajary Vahoaka hanohana ny tsia koa ny fahitany fa tsy mitsinjo ny ho avy mihitsy ity volavolan-dalàmpanorenana haroso ny vahoaka ity. Mazava ny voalaza ao amin’ny andininy faha-19 fa maimaimpoana ny fahasalamam-bahoaka saingy miankina amin’ny firaisankinampirenena anefa izany. Manohitra izany tanteraka anefa ity fikambanana ity izay milaza fa tsy tokony hisy ny fepetra roa izany satria anjara asan’ny fanjakana ny mijery sy miahy ny fahasalamam-bahoaka.
Kianiny koa ny tsy firaharahaina mihitsy ny fampianarana ambaratonga ambony izay tokony hitovy lenta amin’ireo oniveiste vahiny amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Hoy indrindra Rakotoson Harotsilavo « Ny andininy faha-24 sy faha-25 no miresaka momba ny fanabeazana saingy tsy hita taratra kosa ny sehatry ny ambaratonga ambony izay miantoka ny fahafahan’ny zanaka malagasy miasa amin’ireny tetikasa mitrandraka harena ankibon’ny tany goavana ireny ». Ny mpifidy eto Iarivo moa no tena kendren’i Manajary Vahoaka noho ny lafiny enti-manana. Ankoatra izay dia mihevitra koa izy ireo fa raha Antananarivo no manao ny Tsia dia loza mitatao ho an’ny fanjakana izany. Fandresen-dahatra amin’ny alalan’ny onjampeo sy gazety no ataon’ity fikambanana ity hatreto fa any amin’ny 2 herinandro farany izy vao hanatanteraka fihaonana mivantana amin’ny vahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.