Manomboka izao dia milaza ny hiresaka amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandefasana horonantsary miendrika fandaharana anaty tranonkala “Youtube”
sy tambajotra “facebook” isan-kerinandro ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ka ny “Fotoam-bita” na “Le rendez-vous” no anaran’izany, ary faran’ny herinandro no nanombohany. Ambarany fa hitondra fanazavana mivantana sy mahitsy mikasika ireo toe-draharaha miteraka resabe eo anivon'ny fiarahamonina sy ny firenena izy ary
hiresaka mazava mikasika ireo fanapahan-kevitra goavana raisin'ny fanjakana momba ny raharaham-pirenena. Fa taiza izany fanazavana sy resaka mazava izany no tsy natao hatrizay ? Nahoana no misitri-belona sy miezaka mandamina ary mangina manoloana ireo raharaha maloto mahavoatonona ny olona akaiky hatramin’izay, ka izao vao mody mandamin-dresaka ? Aiza ho aiza, ohatra, ny famaliana ny antso avo nataon’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) amin’ny handraisany andraikitra momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy amin’ny maha filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ny filohan’ny Repoblika ? Sa mbola ny valy boraingina hoe hipetraka ho raimandreny foana no hasesika ? Mihevitra ny hanadio tena sy haka ny fon’ny maro indray ny filoha. Vao mainka nijabaka anefa izy raha ny fanehoan-kevitra tao anaty tambajotra “facebook” misy ny pejy mikasika io fandaharana io. Ny 78,3%-n’ny olona amin’ny 309 naneho hevitra no manakiana sy tsy mankasitraka an-dRajaonarimampianina amin’izao zavatra ataony izao, ary zara raha nisy 12% no mankasitraka, raha toa ka 9,7% no tsy nanan-kolazaina. Manampy trotraka izany, resaka aterineto no fitaovana hoenti-mampita hafatra, izay midika avy hatrany fa fanilihana ny maro an’isa ary mety ho tahotra amin’ny fisehoana vahoaka noho ny efa tsy fankasitrahan’ny maro an’isa intsony ny tenany sy ny fanjakana HVM manontolo, ka dia an-kolaka no hanaovana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.