Politique

Mamy Ravatomanga sy Mbola Rajaonah Hosamborina ihany koa ?


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Mafampana ny resaka fisamborana ireo mpandraharaha malaza ho tompon’ny afera sy ny kolikoly amin’izao fotoana.

Taorian’i Claudine Razaimamonjy dia mandeha ihany koa ny resaka amin’ny mety hisamborana mpandraharaha 2, izay mpanefoefo eto amin’ny firenena, ka resaka kolikoly no ambara ho antony. Ao ny anaran’i Mamy Ravatomanga, izay efa namoahan’ny gazety mpiseho isan’andro iray dosie noho ny kolikoly tao amin’ny orinasa Jirama fony izy mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanana ny taona 2010. Nambaran’io loharanom-baovao ihany io fa tsy nisy asa nataony fa nahavita nampandoa volabe 4 miliara ny Jirama i Mamy Ravatomanga. Tapitra ny taona 2010 ny fifanarahana nataon’ny orinasa Hydelec tamin’ny Jirama momba ny fampanofana milina miisa 9, ka ny orinasa Maorisianina Société Madagascar Utilities Ltd, tantanin’ny olona akaiky an-dRavatomanga indray no nomena ny tsena. Voalaza fa ny volana septambra 2015 no tokony ho notanana teny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny kolikoly izy saingy tsy tanteraka. Anarana faharoa kosa ny an’i Mbola Rajaonah izay voalaza fa tsy nangarahara ny nahazoany tsenam-baro-panjakana tamin’ny andron’ny tetezamita. Voalaza fa nahazo ampahany na manontolo tamin'ny fanorenana ireo hopitaly manara-penitra, lapan'ny tanàna sy ny Colesium i Mbola Rajaonah ka izay no naha mpanefoefo azy. Mivoaka anefa ny resaka fa maro tamin’ny fomba nahazoana ny asa no tsy ara-dalàna, kanefa volabe amina miliara maro no nampiasaina. Anisan’ny voatonona ao anatin’izany i Hery Rasoamaromaka, mbola ao anatin’ny Antoko TGV.

 

TSY MITSITSY INTSONY RAJAONARIMAMPIANINA

Manomboka manadio tena fa tsy te haloto miaraka amin’ireo manodidina azy ny filoha ankehitriny. Tsy mitsitsy intsony i Hery Rajaonarimampianina. Tsy ananany havana sy antra intsony izay be vinany akaiky azy, ary porofo mivaingana iny nisamborana an’i Claudine Razaimamonjy iny. Tsy nisy nanampo intsony ny rehetra fa hiseho ny toy ireny ka na i Mbola Rajaonah, izay tanan-kavanany aza hitsimbadihany. Te haneho amin’ny vahoaka ny tenany ankehitriny fa misy ny finiavany hampanjaka ny tany tan-dalàna. Ny fifidianana rahateo efa miha manakaiky ihany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT