Sambany omaly alarobia 06 febroary antoandro no nivahiny mivantana tao amina onjam-peo VIVA ny filoha Tale jeneralin’ny vondron’orinasa SODIAT, Atoa Mamy Ravatomanga.
Nolazainy ary fa tsy manana toerana na andraikitra ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita mihitsy ny tenany ary tsy misy ny didim-panjakana manendry na nanome toerana azy. Mpandraharaha ny tenako, hoy i Mamy Ravatomanga, mpandraharaha koa ny filohan’ny tetezamita mialoha ny nanaovanay politika, ka izay no nifankahalalanay. Mpinamana izahay ary nifanerasera hatry ny ela, hoy izy. Rariny sy hitsiny noho io maha mpinamana anay io raha misy ny fotoana miantso ahy sy maka hevitra amiko amin’ny sehatra manavanana ahy ny filohan’ny tetezamita, hoy ihany ny fanazavany. Mikasika ny mampiroborobo ny orinasany kosa dia tsotra ny fanazavan’ny PDG-n’ny SODIAT nanao hoe : «tahaka ny mpanao politika mitady ny hevitra hampitomboana ny sezany ao amin’ny parlemanta, dia mba mikaroka ny fomba hampiroboroboana ny orinasanay koa izahay mpandraharaha. Tsy tokony hanao ity asa ity raha tsy manana izany hambom-po sy fahavononana hivoatra sy hitombo izany, ary tanjonay ny manangana orinasa iray isan-taona».
Mamoaha porofo !
Notsipihany mazava koa fa tsy hoe mpinamana amin’i Andry Rajoelina izy tsy akory dia midika avy hatrany izany fa nahazo tombontsoa manokana nandritra izao tetezamita izao ny orinasany. Miasa ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy izahay. Izay manana porofo ny amin’ny zavatra tsy nety nataonay na ny fahazoana tombontsoa manokana dia aoka hamoaka izany, hoy i Mamy Ravatomanga. Momba ny raharaha boaderozy dia nohamafisiny indray fa tsy adala akory izy ka boaderozy amina kaontenera vitsivitsy no hamotehany ny lazany sy ny orinasany izay mamelona olona tsy latsaky ny 5000 ankehitriny. Lainga avokoa ny nambara rehetra momba ny fanendrikendrehana ny tenako ho tafiditra ao anatin’ny fanondranana boaderozy, hoy hoy i Mamy Ravatomanga.
Nambarany fa manana orinasa amin’ny sehatry ny hazo tokoa ny groupe SODIAT saingy fanafarana hazo no ataony fa tsy fanondranana hazo. Tsiahivina fa anisan’ireo nitory ny Tangalamena Zakariasy Patrick ny tenany, tamin’ny nanaovan’ity farany ampamoaka niaraka tamin’ny antontan-taratasy samihafa teo an-tanany momba ny trafika «bois de rose» ka nahavoatonona ny orinasan’ity mpandraharaha ity. Nahazo fahafahana vonjimaika ity Tangalamena ity ny fiandohan’ny volana janoary 2013 teo, saingy manamafy i Zakariasy Patrick sy ny Me Razafinjatovo Willy na Olala, mpisolovavany fa miandry an’i Mamy Ravatomanga hifanatrika eny amin’ny fitsarana hivoahan’ny marina mikasika ity resaka «bois de rose» ity. Fa eo amin’ny lafiny politika indray dia tamin’ny alalan’ny sarinteny no nanambaran’i Mamy Ravatomanga fa ankasitrahany ilay hoe : fifidianana solombavambahoaka no natao mialoha. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy koa io omaly io fa tsy mbola manana eritreritra ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany fa hifantoka amin’ny fandraharahana ihany aloha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.