Politique

Mamy Rakotoarivelo Tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ?


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010


Akory ny hagagana, eny fa na dia tsy tokony hahagaga ihany aza, raha nikasa hivoaka any ivelany, haka fialan-tsasatra miaraka amin’ny ankohonany ny solombavambahoaka Tiako I Madagasikara voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo Antananarivo renivohitra sady kestoran’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Mamy Rakotoarivelo, dia fantatra fa misy ny taratasy manakana azy tsy mahazo mivoaka ny tanindrazana. Tsy vao izao moa no voasakana toy izao ity olom-boafidy, mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Efa voasakana tsy hivoaka sy tsy hiditra an-tanindrazana ny tenany. Anisan’ireo delegasiona tavela tany Maputo ny tenany, ny volana desambra 2009, saika tsy nahazo nody an-tanindrazana nefa namonjy dinika iraisam-pirenena, tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Araka izany dia voafetra tanteraka ny fahalalahana, eto Madagasikara na dia midradradradra aza ireo manana ny fahefana fa mampanjaka ny demokrasia sy ny fahalalahana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT