Savorovoro tsy nifankahitana ny tao Mampikony ny sabotsy teo. Tohin’ny raharaha nafahatesana dokotera iray tany an-toerana ny volana oktobra no fototry ny olana ka niteraka fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka.
Taorian’ny fanadihadiana mantsy dia nivoaka ny loharanom-baovao fa nilefa tany Port Berger ny tovolahy 2 kambana voatondro fa tompon’antoka tamin’izany. Nandefa mpitandro ny filaminana haka azy ireo hanaovana fanadihadiana ny zandary tao Mampikony. Ren’ny olona ny vaovao ka efa nandrasan’izy ireo ny hahatongavan’ireo voarohirohy tao Mampikony hanaovany azy. Tonga tany amin’ny zandary ny loharanom-baovao amin’ny mety hampiharan’ny olona ny fitsaram-bahoaka amin’ireto olona voatondro ho namono dokotera ireto ka navily lalana avy hatrany ny fiara nitondrana azy ireo fa tsy nihazo an’i Mampikony fa nalefa tany Antsohihy. Tezitra noho izany ireo olona efa nivorivory tao Mampikony ary nankeny amin’ny tobin’ny zandary, izay mifanila amin’ny fonja sy ny tranon’ny zandary. Raikitra ny savorovoro ka norobaina sady nodorana ny tranona zandary miisa 3. Fiara 2 ihany koa no may kila forehitra. Tsy maintsy nanao tifi-danitra sy nanapoaka lakrimôzenina ny zandary. Nanapoaka basy ihany koa ny mpiambina ny fonja noho ny feo efa nivoaka fa hodoran’ireo andian’olona ny fonja sy ny biraom-panjakana. Vokany, olona 4 no voalaza fa naratra mafy nandritra ny fifandonana. Efa feno mpitandro ny filaminana an-jatony ao Mampikony amin’izao fotoana ary mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny andro alina. Raha ny zava-nisy omaly hariva anefa dia mbola nisy indray ny korontana ary tsy mbola voafehy ny filaminana ka nisy ny fandorana tranon’olon-tsotra sy fitorahana taksibrosy miisa 5 izay vaky avokoa ny fitaratra omaly ary naharatrana olona. Efa any an-toerana ny tompon’andraiki-panjakana sy mpitandro ny filaminana maro mametraka ny paikady handaminana ny raharaha. Nanome toky ihany koa ireo sojabe any an-toerana fa handamina ny olona hitandroana ny filaminan’ny tanàna taorian’ity raharaha nafana ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.