Politique

Mampahafantatra ny zo Mitety ny Faritra iva ireo zanak’i Dada


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Manao rodobe mitety ny Faritra iva manazava amin’ny vahoaka sy mampahafantatra azy ireo ny zo fototra ananany ireo fikambanana mivondrona eo anivon’ny Ankolafy Ravalomanana.

 Ireo toerana manamorona an’Andriantany no nisantaran’izy ireo izany omaly, ka nilazany fa zon’ny Olom-pirenena ny manda ny tsindrihazolena mianjady aminy ka tsy tokony hisalasalany ny hijoro ka hanao Tsia, indrindra ireo nofitahina tamin’ny fampanantenana poakaty. Tsy natao am-bava fotsiny izany fa narahina fizarana taratasy mirakitra ny zo fototra tokony ho fantatry ny isam-batan’olona. Ombieny ombieny dia nisy koa ny fifanakalozana sy fihainoana ny olana iainan’ny mponina eny amin’ny Faritra iva, taratry ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy Malagasy.

 

Nangonin’i Jean D.

 

sary

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT