Politique

Mamonjisoa Isaac “Omeo ny miaramila ny fitondrana !”


  • Alarobia 31 Martsa 2010

Mihamaizina hatrany ny hoavin’i Madagasikara noho ny fizirizirian’ireo mpanao politika.

Miantso ireo ankolafy efatra hiverina hifampidinika an-databatra boribory ny Fikambanana Tanora Sahy Vonona na ny FTSV satria izay ihany no lalana ivoahana amin’izao krizy lalina eto amin’ny firenena izao, araka ny nambaran’ny filohany, Mamonjisoa Isaac. Rehefa samy hanao be marenina anefa ny rehetra, hoy ihany izy dia aleo omena ny miaramila ny fitondrana izay hiarahan’izy ireo mitantana amin’ny sivily. «Io rafitra tantanin’ny miaramila sy sivily miaraka io izay marihina koa fa ahitana ireo hery politika rehetra no hanatontosa ny fihaonambem-pirenena, ny fitsapan-kevi-bahoaka ary ny fifidianana ny ho filohan’ny Repoblika. Eny antsefatsefany eny anefa dia manatanteraka ny fihavanam-pirenena ihany koa izy ireo mba tsy hisian’ny valifaty». Anisan’ny mandray anjara amin’io fitondrana io i Andry Rajoelina raha ny fanazavany ihany saingy tsy nambarany kosa anefa izay toerana hotantaniny. «Efa voafaritra mazava ao anatin’ny soso-kevitray hivoahana amin’ny krizy izay haterinay eny Ambohitsorohitra anio alarobia ny momba izay anjara toeran’ny filoha Rajoelina izay»,  hoy i Mamonjisoa Isaac. Telo ka hatramin’ny dimy volana raha ela indrindra no fe-potoana haharetan’ity tetezamita amin’ny endriny vaovao ity araka ny FTSV ihany izay mihevitra ihany koa fa hahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany rafitra izany.

Tsaho
Momba ny resaka mandeha fa mivadika amin-dRajoelina ny FTSV dia nanambara i Mamonjisoa Isaac, filohany, fa tsy manana olana amin’i Andry Rajoelina ny tenany fa mijanona ho mpanohana azy hatrany. Tondroiny ho tompon’antoka amin’ny fampiadiana azy amin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny gazety iray mivoaka isan’andro sy kolonely miasa eo anivon’ny Hery vonjitaitran’ny zandarimariam-pirenena na FIGN. Ity manamboninahitra ity izay ampangainy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana azy tao amin’ny hotely Colbert ka nahavery ny lelavola mitentina 180 tapitrisa ariary tany aminy. Momba ny lahatsoratra an-gazety izay nilaza fa nampanantsoin’ny Bianco ny tenany dia nanazava i Mamonjisoa Isaac fa tsy mbola nisy izany saingy efa vonona tany ho any kosa ny taratasy fampiantsoana azy. Farany dia handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny FTSV ary ato ho ato ireo mpikambana no hihaona amin’ny mponina eto an-drenivohitra.
 
Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT