Nanatanteraka ny kongresiny voalohany ny fikambanana FTSV (Fikambanana Tanora Sahy Vonona) ny sabotsy 17 aprily teo, tao amin’ny Carlton ka mpikambana 600 mahery avy any amin’ny faritra no nandray anjara.
Nandritra ity fotoana ity no nifidianana ny birao mpitantana ny fikambanana ahitana ny filoha, ny sekretera jeneraly, ny mpitambola ary ny mpandrindra isam-paritra. Mbola lanin’ny besinimaro ho filoha hatrany i Mamonjisoa Isaac izay mpanorina ny FTSV. Nohazavain’ity farany fa na dia vao telo taona monja aza no nisian’ny fikambanana dia efa misandrahaka manerana ny Nosy. Maro ihany koa ireo asa soa nosahaniny tao amin’ny tanànan’i Mahajanga, toy ny fanomezana sakafo ireo fianakaviana sahirana, fanampiana ray aman-drenin’ny mpianatra ary fanamboaran-dalana mirefy 500 m.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.