Politique

Malalatiana Rasoaniaina Novantambantaniny izay ho eny Ivato


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Raha mivavaka mafy hahatanteraka tsy misy raorao ny fihaonambem-pirenena ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena dia sarintsarim-pivoriana sady fandanian’andro no fandaniam-bola fotsiny io, raha ny fahitan’ny mpitaky ny hiverenan’ny ara-dalàna azy.

Kaontin’ny tsy misy izay ho fehin-kevitra hivoitra ao. Hentitra Rtoa Malalatiana Rasoaniaina, mpandrindra ny KMFB eny Antananarivo Atsimondrano, nanondro an’io fihaonambem-pirenena hatao eny Ivato manomboka anio io ho “fihaonamben’ireo olona miaro ny tombontsoa frantsay ka ny tanjony voalohany dia ny hanao izay tsy hahatafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana”. Hita miharihary izany, hoy izy satria dia ezahin’izy ireo tsy horesahina mihitsy io resaka Ravalomanana io. Tsy nitsitsy fitenenana Malalatiana Rasoaniaina nilaza fa “taranaka PADESM ny ankamaroan’ireo, tsy sahy miatrika fifidianana, ary koa matahotra mafy an’i Joaquim Chissano satria ity farany tsy manaiky ny tsy rariny, ny tsindry hazo lena atao amin’ny vahoaka, ny fanampenam-bava, ny fanosihosena ny demokrasia ary ny familiviliana ny safidim-bahoaka”. Amin’i Malalatiana Rasoaniaina dia fihaonambe ivondronan’ny olobe no ekena, izay no mampiray sy mampifankatia ny samy Malagasy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT