Miezaka manitatra ny ambaindain’ny antokony ny Malagasy Tonga Saina na MTS. Ao Amoron’i Mania dia Atoa Andry Rakotoarinala na i Bôb, no Mpitarika. Nisy ny resaka fohy nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Misy an’izany Antoko MTS izany angaha ato amin’ny Faritra Amoron’i Mania toa mangingina ?
Andry Rakotoarinala (AR) : Misaotra anareo ato amin’ny Tia Tanindrazana nandray anay. Marina tokoa ny voalazanao fa tsy mbola henoheno tato Amoron’i Mania hatramin’izay nisian’ny fitondrana tetezamita ny antoko MTS. Efa misy sy mijoro ara-dalàna ary miroborobo anefa izy amin’izao fotoana izao. Porofon’izany no ilazàko fa efa rakotry ny MTS avokoa izao ireo Kaominina miisa 53 ato Amoron’i Mania, mbola an-dalam-pametrahana ny any amin’ny Kaominina Mangataboahangy sy Amborompotsy. Manana solontena mpitarika isaky ny Distrika efatra sy isaky ny Kaominina izahay izao ankehitriny.
TT : Efa mihetsiketsika manao fety sy manao asa sosialy ireo antoko politika tato ho ato, hanaraka izany ve ny MTS ato amin’ny Faritra tarihinao ?
AR : Tsy mpanara-drenirano ny MTS tarihin’Atoa Roland Ratsiraka fa manana ilay soatoavina miisa 12 iombonan’ny Antoko hatramin’ny niforonany izay mifototra amin’ny lafiny politika, ara-tsosialy ary ara-piarahamonina. Ho anay MTS dia efa tonga saina ny vahoaka Malagasy ankehitriny ka entaninay amin’izay hibanjina ny fampandrosoana tsaratsara kokoa. Tsoriko fa tsy mihemotra amin’ny tanjona efa napetraka izahay.
TT : Hanao inona izany ianareo ?
AR : Misy ny hetsika hataonay eto Ambositra ato ho ato dia ny fanadiovana ireo fako miavosa eto an-tanàna. Efa mandeha ny fanomanana rehetra satria amin’io fotoana io koa no hanaovanay ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2013 eto Amoron’i Mania sady hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fisianay ary hanaganana ny biraom-paritra.
TT : Inona no tanjon’ny hetsika ?
AR : Hiara-kiasa amin’ny vahoaka izahay hitandro ny fahadiovana. Hahazo asa ihany koa izay manadio fako amin’io fotoana io satria misy tambiny homena sady fanabeazana ny tsirairay hikolokolo ny fahadiovan’ny tanàna, indrindra ao amin’ny Fokontany Alakamisy ao dia efa tsy araky ny Kaominina intsony ny mandroaka ny fako mihavoasa ao.
TT : Ny MTS sy ny fifidianana, vonona ve ianareo
AR : Efa hatramin’ny ela izahay no vonona handray fahefana sy hiatrika izay fifidianana hifanesy eo. Angatahanay fotsiny mba ho fifidianana Filoham-pirenena no tokony handeha mialoha izay efa tapaky ny besinimaro ary efa voarakitra ao amin’ny tondrozotra mba hampitony ny krizy efa niainana teto
Nangonin’i Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.