Latsaka amin’ny salanisa ankapoben’ireo mpiavy samihafa ny tahan’ny Malagasy tsy manana anton’asa manorim-ponenana ao Frantsa, hoy ny masoivohon’ity firenena ity eto Madagasikara.
Maro an’isa ny vehivavy Malagasy miondrana any an-toerana (63%). Misitraka mari-pahaizana «master» na «doctorat» kosa ny 60%-n’ireo mpianatra Malagasy any Hexagone. Vonona ny hampandroso an’i Madagasikara ihany koa ny 87%. Misy mihitsy ny finiavana te hitondra anjara biriky fa miahotra amin’ny tsy fahafantarana loatra ny fizotran’ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo Malagasy mpila ravinahitra any Frantsa. Manantena tohana avy amin’izy ireo rahateo ny fanjakana. Eritreretin’ity farany ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy mihitsy moa izy ireo. Tsy matoky ny zava-misy eto amin’ny firenena anefa hatreto ireto «gasipora» ireto, araka ny fanadihadiana notontosaina nandritra ny herintaona. Voatonona manokana amin’izany ny resaka kolikoly sy ny tsy faharesen-dahatra amin’ny fanjakana sy ny governemanta mijoro.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.