Politique

Maitre Rasamimaka Mahefalahy «Mbola maro ny tia tanindrazana»


  • Zoma 19 Novambra 2010

«Tsy mbola nisy ohatra ity fifidianana natao ny alarobia teo ity teto ambonin’ny tany», hoy ingahy Rasamimaka Mahefalahy tsy nisalasala naneho ny heviny, taorian’iny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny alarobia 17 novambra iny.

Notohizany hatrany ny fanazavany ka nilazany fa «kitoatoa miharo tsy fahaiza-manao sy tsy fahampiana traikefa ireny. Ny CENI ihany no nilaza fa ny lisi-pifidianana nokarakarain’izy ireo iny no tena tonga lafatra hatramin’izay 50 taona nisian’ny fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka izay,  ireny anefa ny vokany». Ho an’ny Maitre Rasamimaka Mahefalahy dia «fomba nentina nampitomboana ny taham-pifidianana handaniana ny Eny mba hijanonan’ny FAT maharitra eo amin’ny fitondrana ireny fepetra noraisiny tampoka amin’ny androm-pifidianana ireny». Nambarany hatrany fa menatra ny mpahay lalàna mahita ireny, fa “hay ambony fahefana araka ny lalàna ny kara-pokontany noho ilay ordonnance avoakan’ireo mpitsara nanao fianianana». Amin’ny Maitre Rasamimaka dia mbola tena maro ireo tia tanindrazana ao Toamasina,matoa mbola nahita 60% eo ny taha tsy fandehanana mifidy sy manodidina ny 30% nampandany ny Tsia, noho ny fitsinjovana ny taranaka faramandimby». Nisaotra ny Malagasy rehetra nampiseho ny tena safidiny sy ny tena ao am-pony marina ingahy Rasamimaka Mahefalahy, ka nilazany fa «mila mijoro hatramin’ny farany ny Malagasy» fa mandady ny trambo. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT