Fahombiazana, hoy ny mpikarakara ; tsy mbola ampy hanaovana fanairana ny fitondrana FAT, hoy ny vahoaka niatrika izany ny hetsika indroa miantoana nokarakarain’ny ankolafy telo ny sabotsy 08 mey ho an’ny Cadres sy ny mpanao politika, ny alahady 09 mey tao amin’ny Stadium Barikadimy.
Manana ny heviny sy ny fahitany azy koa anefa ny Maître Rasamimaka Mahefalahy, anisan’ny mpikarakara izay ao anatin’ny biraon’ny ankolafy Madagasikara ao Toamasina. Nisy ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Miarahaba anao Maître Rasamimaka Mahefalahy, nisy ny hetsika nokarakarainareo ankolafy Madagasikara farany teo iny, inona ny azonao ambara tamin’ny vokatra azo ?
Maitre Rasamimaka Mahefalahy (Maitre Mahefa): Miarahaba anareo ihany koa. Amiko dia afa-po tanteraka aho tamin’iny hetsika nokarakarain’ny ankolafy Madagasikara Toamasina farany iny. Ny tena zava-dehibe tamin’iny hetsika iny koa dia niaraka sy niombom-peo ho fanavotam-pirenena ireo nohevirin’ny olona ho mpifanandrina folo taona lasa izay. Tsy nisy nanam-po fa hiray sehatra ny Arema, ny TIM, ny CRN, ny MFM ary ny maro hafa koa. Tsapa izany fa miray feo amin’ny fampandrosoana sy ny fanavotana ny firenena ny rehetra, fa teo amin’ny fomba ahatongavana amin’izany no samy nanana ny lalany ka nahatonga ny fiheveran’ny olona fa fifandrafesana. Tsapa koa nandritra ny fihaonana tamin’ireo “cadres” sy ny mpanao politika hafa fa mitombina sy rariny ny fitakiana ataon’ny ankolafy Madagasikara ankehitriny. Mahantra sy sahirana ny firenena ka tsy misy afa tsy ny fampihavanam-pirenena sy ny fiverenana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra sy hifanarahana araka ny sata efa nifanaovana sonia sy nekena teo imason’izao tontolo izao no vahaolana tsara sy haingana ary handamina ny krizy misy.
TT: Midika ve izany Maitre Mahefa fa natomboka tao Toamasina ny fampihavanam-pirenena teo aminareo noheverina ho mpifanandrina hatramin’izany ?
Maître Mahefa: Izay tokoa raha ny zava-misy no jerena tamin’iny hetsika iny. Maro aza no nametra-panontaniana hoe : hay ve ka afaka miara-miasa sy mitsinjo firenena toy izao ihany ny mpanao politika Malagasy. Raha tsorina dia tsy hoe ny mpanao politika no miady na tsy mifankahazo fa ny rafitra sy ny fomba entina hanompoana ny firenena no samy manana ny azy noho ny hevitra tera-bary, izay ilay demokrasia. Raha tsorina anefa dia iny nitranga tao Toamasina farany teo iny no atao hoe fampiavanam-paritra 100% ka tokony harahin’ny rehetra ho fanavotana ny filentehan’i Madagasikara anaty lavaka be izao.
TT: Miverina indray ny fisamborana mpanao politika maneho hevitra, ny hevitrao amin’izany sady hamaranana ny tafatafantsika ?
Maître Mahefa : Mampalahelo ny fomba fisainana ankehitriny. Ilay heverina ho mpandamina ny raharaham-pirenena amin’ny fisian’ny fitoniana indray no mandrahona hampiasa hery tsy misy resaka ho an’ireo heveriny ho manakana ny lalana diso hitondrana ny firenena. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa no jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tonga amin’ny fitenin’i Monja Jaona hoe “toy ny bokotra akanjo ny mpitondra, ka raha mivaralila ny ambony dia mivaralila toy izany koa ny any ambany rehetra”. Tsy hiteny zavatra maro fa ny zava-misy no aoka hitsara izany fomba fiteny ny mpanao politika Malagasy nanana ny naha izy azy izany. Raha ny hiverenana fotsiny ny zava-nisy sy nambarana herintaona lasa izay dia nisy nilaza teto fa tsy “izaho mihitsy no hampiasa hery sy basy ary grenady amin’ny Malagasy tahaka ahy, apetraka ny demokrasia izay tsy nisy teto hatramin’izay…” sy ny maro hafa, inona anefa no misy izao, feno ny fonja ary mitaintaina toy ny sahobabaka ambodiriana ny Malagasy fa izay miteny sy manakiana dia mpitandro filaminana mitam-basy sy ny fitsarana mitanila ary fonja haingana sy maharitra no miandry azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.