Tsy natory na niala sasatra raha toa ka tsy re sy tsy hita, nandritra ny fotoana lavalava ihany teto an-drenivohitra ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, fa dia nanohy hatrany ny fitetezam-paritra, efa natombony herintaona latsaka kely izao.
Mila mijery ifotony ny fiainan’ny Malagasy isika, hoy izy raha tena te hamaha marina ny krizy sy handroso vahaolana mahomby hampandrosoana an’i Madagasikara, izay ambarany hatrany moa fa tany Masina sy manan-jina matoa nofenoin’Andriamanitra harena sarobidy. Anisan’ny faritra efa voatsidika indray izao ny tany Namakia, Marovoay, Ambatoboeny, Manakara, Mananjary, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Andilamena, Ambatondrazaka.
Tsy ankijanona ny fitetezam-paritra ataon’ny Maitre Avoko izay tsara ho marihana fa filoha nasionalin’ny antoko Madagasikara afaka (MAF). Nampatsiahy ny olom-pirenena tamin’ireo toerana notsidihany ny Maitre Avoko mba hanaramaso ny anaran’ny tsirairay ao anatin’ny lisipifidianana satria adim-panafahana, hoy izy no atao izao ka tokony ho mailo ny rehetra. Aminy dia roa ihany ny safidy raha toa ka tsy mety tanteraka ilay fampihavanana, noho ny fizirizirian’ny sasany. Ka na miainga indray ny hetsi-bahoaka, na irosoana ny fifidianana tsy misy hala-bato, sy eken’ny rehetra. Mila fanaraha-maso izany, hoy ny Maitre Avoko dieny izao, fa tsy vitan’ny kabary fotsiny. Hatreto aloha dia tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany izy, fa efa niteny kosa fa tsy hihamboho adidy, ary afaka mandimby tsara ireo zokibe efa nahavita azy, teto amin’ny firenena, raha toa ka izay no sitrak’Andriamanitra.
Fanamby no napetrany fa tafaveriny ao anatin’ny roa taona ny fihavanan’ny samy Malagasy tsy an-kanavaka, ny fandriampahalemana, ny fampidinana ny fahalafosan’ny vidim-piainana. Mihevitra ihany koa ny maitre Avoko fa tokony havoaka avokoa ireo gadra politika ary avela mody an-kalalahana eto ireo sesitany politika, mba hisian’ny tena fitoniana. Raha tsorina ny resaka dia efa anisan’ireo kandida vonona hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny maitre Avoko, ary tena sahy handray andraikitra, ka hanohy ny asa fampandrosoana goavana efa natomboka teto, saingy potika noho ny fisian’ny krizy nanomboka tamin’ny 2009. Sahy aho matoa mijoro, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.