Politique

Maître Avoko Rakotoarijaona Mpanohana mavitrika ny filoha Rajaonarimampianina


  • Talata 16 Aogositra 2016

Raha ilay hetsika antsoina hoe “Mifohaza ry gasy” no nahalalana an’i Maitre Avoko Rakotoarijaona, mpitarika ny kung fu wisa eto Madagasikara dia nangina tanteraka io ankehitriny.

Velom-panontaniana ny mpanara-baovao satria toa mifanohitra tamin’ny foto-keviny tamin’izany no ijoroany ankehitriny. Tsy nisalasala izy tamin’ny fitarihany ilay hetsika Mifohaza ry gasy fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena sy ny sosialim-bahoaka. Mahita kosa izy ankehitriny fa manga ny lanitra. Raha hita tamin’ny fitakiana sy fanehoan-kevitra politika amin’ny fanakianana izao fitondrana izao Atoa Sylvain Rabetsaroana izay notohanany mafy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia milaza ho vonona hijoro sy hanohitra ny mety ho hetsika sy fitakiany izay sokajiany ho asa fanakorontanana kosa ingahy Avoko Rakotoarijaonina sy ny antoko politika  tarihiny. Tsy nisalasala izy tamina fandaharana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray fa “raha tsy i Hery Rajaonarimampianina dia efa potika ny firenena" ka tokony hotohanana. Misy ireo mankasitraka ny heviny satria maro ireo mpanao politika no te hanongana fahatany ny mpitondra mba hahazoana seza ary tsy vitsy koa ireo manakiana ka milaza azy ho mody fanina manoloana ny fahoriam-bahoaka. Raha nanontanian’ny gazety Tia Tanindrazana izy taorian’ny hetsika notontosain’ny Kung Fu Wisa naoriny teny amin’ny Lapan’ny Fantanjahantena Mahamasina raha hirotsaka ho anisan’ireo ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 dia teny tsotra no navaliny hoe « No Comment ».

 

Toky R/ Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT