Politique

Maitre Avoko Kandida vonona amin’ny sedra rehetra


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Rehefa avy nitety an’i Madagasikara nandritra ny roa taona latsaka kely nampahafantatra ny tantara sy ny hareny ary zava-miafin’ity firenena ity, taorian’ny hetsika «Mifohaza ry Gasy» sy ny «Masoandro Maraina» dia miditra lalindalina kokoa amin’ny fandraisana andraikitra manoloana an’i Madagasikara ny Maitre Avoko Rakotoarijaona ka nanambara tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny toeram-piasany teny amin’ny 67Ha Atsimo, omaly talata 22 janoary, fa dia ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany.

 Nohazavainy indray omaly fa «Andriamanitra irery ihany no vahaolan » amin’ny famahana ny krizy miverimberina mahazo an’i Madagasikara. «Ilay Mpahary no hamerina ny fanantenana, no sady hanadio ity firenena ity», hoy ny Me Avoko. Ho fanantanterahana izany dia mila olona hataony fitaovana izy hitantana ny firenena, olona matahotra sy manaiky an’Andriamanitra Andriananahary ary vonona hisedra ny mafy, hanentsina ny lavaka, hanefa ny trosa ary hampiposaka indray ny masoandro. Araka ny fanazavany ihany dia ny fihatahana tamin’Andriamanitra no nahatonga ny fahorian’ny Malagasy ka nampitombo ny olona noana, mitrosa, eo ihany koa ny firongatry ny tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe io na any ambanivohitra, ny tsy fisian’ny asa, ary toa ny vahiny indray no manjakazaka amin’ny harena misy eto. Mitomany i Madagasikara ary tena very fanahy mbola velona ny Malagasy.

Mino sy matoky anefa ny Me Avoko fa tsy voaozona hahantra tsy akory ny Malagasy fa afaka miala tsara amin’izao fahasahiranana izao, fa kosa tsy maintsy mandinin-tena sy mila tonga saina ny tsirairay ary miverina amin’Andriamanitra. Nambarany fa raha izy no eken’ny Malagasy fa hitantana ity firenena ity ho amin’izany fiovana goavana izany dia toky nomeny fa hiarin-doha avy hatrany ny toe-karena noho ny fitantanana tsara sy mangarahara, ka hisy vokany avy hatrany amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka izany. Fanamby no apetraky ny kandida Avoko Rakotoarijaona fa ho lasa lohany ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-panahy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana i Madagasikara amin’ny taona 2017.

Izy moa dia vonona ny hiara-hiasa amin’ireo rehetra tia tanindrazana ho fanavotanana ny firenena ary manolotra ny momba azy rehetra ho an’i Madagasikara. Azo ambara hoe mbola tena tanora ary zazavao eo amin’ny tontolo politika ny Me Avoko Rakotoarijaona. Tsy dia nifamahofaho be loatra tamin’ireo mpanao politika izy tao anatin’izao krizy izao ary tsy maika tamin’ny fitadiavana seza, fa kosa nanao ny ainy tsy ho zavatra nitety ny faritra rehetra teto Madagasikara nijery ny tena zava-misy marina ary nihaino ny hetahetan’ny vahoaka, ankoatry ny fampianarana nataony. Azo ambara fa madio izy raha ara-politika no jerena, tsy nanohana be fahatany an’izatsy na izaroa ihany koa ny tenany, nandritra izao krizy izao, satria araka ny heviny dia tokony hahay hifandamina sy hihavana ny Malagasy fa tsy hanaiky ho zarazarain’ny ankolafy politika. Zava-baovao amin’ny fomba fanaovana politika sy firenena no aroson’ny Me Avoko ary araka ny tenin-dehilahy nataony dia “vonona hatramin’ny farany hisedra ny zava-drehetra” izy satria efa nanolotra ny tenany ho fanavotana an’i Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT