Politique

Maitre Avoko “Efa 30 taona no nanomanako ny firotsahako hofidiana”


  • Zoma 08 Febroary 2013

Rakotoarijaona Avoko na Maitre Avoko, kandida filoham-pirenena atolotry ny Madagasikara Afaka. Filohan’ny Kung fu Wisa, mpilalao sarimihetsika, mpihira ary mpitarika ny hetsika “Mifohaza ry Gasy”, izy no vahinin’ny SOKELA anio.

 Tia Tanindrazana(TT) : Ilay hetsikia «Mifohaza ry Gasy» no tena nahafantarana anao ankoatra ny maha mpikatroka kung fu anao. Inona no nahataitra anao tampoka teo ka nahatonga ny firotsahana hofidiana filoham-pirenena ?

Maitre Avoko : Marina tokoa fa lalam-piofanana tantara no nianarako teny amin’ny oniversite ary ny nandalina ny taranja kung-fu tany ampita : La Réunion, Frantsa, Sina tao amin’ny “Temple du Shaolin” koa aho. Sady mpihira no namelona indray ny sarimihetsika malagasy ny tenako ankoatra ny maha mpitory ny filazantsara. Aza hadinoina anefa fa vao 13 taona aho tamin’ireny raharaha 1985 ireny dia efa nogadraina noho ny fitiavan-tanindrazana. Io fitiavatanin-drazana io sy ny raharaham-pirenena foana no namolavolana anay tao an-tokantrano.
 
Raha vao nivoaka teny amin’ny toerana nitazonana anay teny amin’ny BANI Ivato aho tamin’ny raharaha 1985 dia nifoha avy hatrany tao anatiko ilay fitiavan-tanindrazana. Ireo fanomezam-pahasoavana rehetra nomen’ny Tompo ahy dia natodika ho an’ny firenena foana. Nisy hatrany ny hafatra nampitaiko tao anatin’ireny fitoriana filazantsara sy sarimihetsika nolalaoviko ireny. Efa ho 30 taona izany izao no nanomanana izao firotsahana hofidianana filohan’ny Repoblika izao.
 
TT : Ka hatao fitaovana izany ireo mpikatroka kung fu ?
Maitre Avoko : Isaina amin’ny rantsan-tanana ireo vahiny mpikatroka kung fu eto Madagasikara ka midika izany fa Malagasy avokoa ireo mpikatroka ireo. Matoa anefa navahana tsara ny maha kung fu any amin’ny sehatry ny fanatanjahantena sy ny “Malagasy Afaka” aty amin’ny sehatry ny raharaham-pirenena dia samy hafa izany ireo. Tsy manakana ny mpanao kung fu ho mpanohana anefa izany. Tsy kandidan’ny mpanao kung fu na mpanao fanatanjahatena koa irery ny tenako fa an’ny Malagasy rehetra ary vonona ny hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanarenana ny firenena.
 
Misy koa milaza fa ny haha mpanao kung fu ny Malagasy no tanjoko. Marihiko fa samy nanana ny maha izy azy ireo mpitondra nifandimby. Tsy rehefa mpikatroka kung fu akory ny tenako dia ho lasa torak’izany avokoa ny Malagasy fa fanomezam-pahasoavana ireny. Ampahatsiahiviko fa ahitana ny vinam-piarahamonin’ny antoko ao amin’ny www.madagasikara-afaka.com . Afaka hifaneraserana sy ahitana ny vaovao rehetra momba ny antoko io tranokala io. 

TT : Nahoana no tsy nanaraka ny antanantohatra ary, nanomboka Ben’ny tanàna na depiote fa mitetika ny ho filoham-pirenena avy hatrany ? 
Maitre Avoko : Marina fa samy manana ny maha izy azy ny ambaratongam-pahefana rehetra : ny sefo Fokontany, ny Ben’ny tanàna na koa ny depiote. Tsy maintsy raisina avy hatrany anefa ny fitondram-panjakana raha hanavotra firenena anaty fahapotehana isika satria tsy hahavaha olana ny fahefana eo ampelatanan’ny sefo Fokontany na koa ampelatanan’ny depiote. 
 
TT : Ampy fahamatorana sy traikefa ve ianao raha hitantana firenena. Ianao rahateo vaovao amin’ny politika. Sao hanao toy ny filohan’ny FAT indray mantsy ? 
Maitre Avoko : 41 taona aho izao izany hoe zokiny amin’ny tanora ary zandriny amin’ny antitra. Raha ny fiheverako azy dia mahafeno ny fepetra takiana eo amin’ny lafiny ara-kery aho. Tsy maintsy manana ny hery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy mantsy vao afaka hitondra izany. Raha latsaky ny 40 taona aho no mety hoe mbola manandrakandrana na taitaitra fa matoa mbola nomen’Andriamanitra tombon’androm-pahavelomana dia afaka hamita ny adidy aman’andraikitra izay hapetraky ny vahoaka amiko. Raha ny traikefa ara-politika indray dia aza hadinoina fa ny mpitondra firenena dia tsy voatery ho teknisianina fa manana mpiara-miasa ampy traikefa. Amin’ireo mpikatroka kung fu sy ao amin’ny “Madagasikara Afaka” dia misy teknisianina isan-karazany : dokotera, injeniera, minisitra sy depiote taloha…Anjarako amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ahy no manao ny rindran-damina rehetra.
 
TT : Sao kandidan’i Deba kosa ary ianao. Hita ihany ireny fihetsiketsehanao tamin’ny fodiany ireny ? 
Maitre Avoko : Henatra ho an’i Deba ny zavatra nataony tamin’ny kung fu tamin’ireny 1985 ireny. Mbola averiko foana fa tsy manohana antoko na ankolafy aho fa mahaleotena tanteraka ny Malagasy Afaka. Na izany aza dia mbola miantso ny teknisianina sy mpanao politika tsara sitrapo rehetra izahay hifanome tanana hanavotra ity firenena ity. Isaorako etoana ireo teknisiana nivoaka avy any amin’ny ENA (Frantsa) sy ENAM efa namaly ny antso nataoko ka nanolotra sosokevitra maro. 
 
TT : Vola be no ilaina amin’ny fifidianana raha tsy hilaza afa-tsy ilay antoka 50 tapitrisa Ariary. Avy aiza izao ny loharanom-bolanareo ? 
Maitre Avoko : Tiako ny manamarika eto fa raha manana vola an-tapitrisany ireo kandida sasany dia izao no ilana izany hanampiana ny mpiaramonina fa tsy laniana hanamboarana “T-shirt”sy izarazarana fanomezana mandritra ny fampielezan-kevitra. Raha manana helikôptera ianao dia omeo hampiasaina hamonoana valala. Ho anay dia tsy maintsy haloa io 50 tapitrisa Ariary io izay volan’ny fikambanana avy eto an-toerana sy any ampita. Marihiko anefa fa efa mihoatra lavitra an’io ny vola lany tamin’ny fitetezana ny firenena nandritra ny 5 taona nanaovana ny hetsika “Mifohaza ry Gasy”.
 
TT : Nihemotra ny datim-pifidianana. Mety aminareo ve ? 
Maitre Avoko : Nandiso fanantenana satria maika ny fanavotana ny firenena. Ny CENI-T anie nilaza tamin’ny faran’ny taona 2012 fa vonona tsy misy atahorana ny lafiny teknika e ! Izao indray anefa izy manambara fa noho ny lafiny teknika no anton’ilay fanemorana. Tsy tahaka izany kosa no tokony hitondrana ny firenena. Izahay eto dia milaza fa tsy tokony hisy intsony ny fanemorana fa raha mbola hisy izay dia tena tsy rariny intsony ka tsy hanaiky izahay
. 
TT : Raha lany soa aman-tsara ianao. Hametraka fanjakana “Teôkratika” sa mijanona Repoblikanina ?
Maitre Avoko : Iaraha-mahalala ny fomba nitantanana ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenana farany teo. Ka tsy maintsy hokitihana izany ny lalàmpanorenana amin’ny alalan’ny fanovana ny andiany sasantsasany na “amendement” na koa hisy mihitsy fifidianana lalàmpanorenana. Fifidianana fa tsy fitsapan-kevibahoaka akory. Avelao ny vahoaka no hisafidy izay lalàmpanorenana tiany. Tsy mbola fotoan’ny fampielezan-kevitra moa izao ka tsy afaka hilaza izay hataoko aho. Ny zavatra tiako marihina fotsiny dia hialoha lalana ahy mandrakariva amin’izay fanapahan-kevitra raisiko Andriamanitra. Averiko foana fa Andriamanitra no mpanao politika voalohany ho an’ireo izay milaza fa manafangaro ny politika sy ny fivavahana aho.
 
TT : Ahoana ny hevitrao mikasika ny kabarin'ny filohan'ny tetezamita 07 febroary ?
Maitre Avoko : Tsy azoko tsara ny tiany holazaina tamin’ilay hoe maharitra 5 taona ny krizy ! Manao kaonty ny faharetan'ny krizy ve izy sa mbola hotohizany 5 taona ny krizy ? Tsotra ny teninay fa raha tsy noho ny antony goavana no mety mbola hanemorana io datim-pifidianana amin’ny 24 jolay io dia heveriko fa tsy misy ilàna antsika rehetra milaza ho tia tanindrazana intsony. Isika mihitsy no kanosa raha mbola hanaiky hataon'ny olona arak'izay tiany ny hoavin'ity firenena ity.

TT : Fanontaniana farany, malaza ny resaka orinasa vahiny tato ho ato fa mpitsetsitra ny harentsika. Misy fepetra tokony horaisinao amin’izy ireo ve ? 
Maitre Avoko : Ny famerenana ny hasin’ny Malagasy no anton’ny fandaharana “Mifohaza ry Gasy”. Tsy afaka hiolonolona anefa isika fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny vahiny. Izaho dia efa nilaza fa amin’ny taona 2017 dia i Madagasikara no lohany aty amin’ny Oseana Indiana amin’ny lafiny ara-toekarena, sosialy ary ara-panahy. Manana ny antoka ahafahako milaza izany aho satria aty ampelatanako ny tsiambaratelon’ity firenena ity momba ireo harena miafina rehetra. Nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana aho hitahiry ny “plan” momba ireo harena miafina ireo : volamena, vatosoa , solitany… Na manana izany tahiry efa 1000 taona izany aho dia tsy afaka manao na inona satria tsy eo am-pelatanana ny fahefana ka izay no antony hilatsahako. 
 
TT : Ny teninao farany ary ? 
Maitre Avoko : Mampahery ny Malagasy mba hatoky an’Andriamanitra. Tsy olana ara-politika fotsiny no mahazo ny firenena fa misy fanahy mamatotra izay tsy maintsy vahana. Tsy misy resaka antokom-piangonana akory izany. Matoa tojo an’izao isika dia misy famefena tian’Andriamanitra hatao eto ka andao hiaraka hifanome tanana ho an’i Madagasikara afaka.
 
 Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT