Fahasorenan’ny olom-bafidy no nateraky ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tany Maintirano ny sabotsy 07 aogositra 2010 teo. Sambany tao anatin’izay 17 volana nitondrany izay no nitsidika ny faritra Melaky ny tenany.
Toy ny nataony tao Mahajanga ny 24 jolay dia nampanantena ny hanorina hopitaly vaovao sy sekoly ambony hianaran’ny mpianatra afaka bakalôrea any an-toerana izy. Tamin’io fotoana io anefa dia nisy ny fihaonana voalaza fa hiarahany tamin’ireo olom-boafidy tao an-toerana, ireo Ben’ny tanàna indrindra indrindra. Ny sabotsy tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora no voalaza fa hihaona tao amin’ny “Chalet de roses” izy ireo, toy ny nataony tao Antsirabe taorian’ny lanonana famoahana ny andia-miaramila tao amin’ny Akademia Miaramila. Niandry tao tokoa ireo Ben’ny tanàna saingy tsy tonga i Andry Rajoelina. Araka ny feo dia toa tsy nahafa-po an’ity farany loatra ny fandraisana azy tao Maintirano. Raha izay no izy dia mitontona any amin’ny Faritra ny rihitra. Ny Faritra no mandamina, mandrindra ary mampandre ny vahoaka ao aminy ny fitsenana sy fandraisana ny manampahefana ho avy ao aminy, arakaraka ny andraikitra sy halehiben’ny asan’ny vahiny. Araka ny fantatra anefa dia toa ny TGV ao Maintirano no nanao io fampandrenesana io tamin’ny “allo allo” eran’ny tanàna ny zoma.
Loharanom-baovao hafa indray koa anefa no nandrenesana, roa andro mialoha ny hahatongavany any Maintirano, vao mahalala ny diany any ny tompon’andraikitra any an-toerana, ary toa mbola mpanao politika fanta-daza avy any amin’ity distrika ity saingy monina eto Antananarivo no nampandre ny ao amin’ny Faritra ity fitsidihana hataon’i Andry Rajoelina tao Maintirano ity. Raha izay indray koa izany dia nisy nanipy hoditr’akondro ny lehiben’ny faritra ka dia mantamanta ny fandraisana ny lehiben’ny FAT, ary dia tany amin’ireo Ben’ny tanàna no nihandronan’ny rihitra. Saika voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara koa anefa ny ankamaroan’ireto olom-boafidy ireto, ka mety ho izay koa no nialan’ny FAT tsy hihaona tamin’izy ireo. Mbola ho ela ny fivoahana amin’ny krizy raha izay. Koa dia ho hita eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.