Nanamarika ny fankalazana nasionalin’ny tsingerin-taona faha-51-n’ny fahaleovantena ny tsy nahitana ny FFKM Foibe teny Mahamasina ny andron’ny 26 jona, izay sady fetim-pirenena no fetin’ny foloalindahy ihany koa.
Ny omalin’io, izany hoe ny sabotsy 25 jona maraina, dia mbola nitarika fotoam-bavaka iraisam-pinoana tao amin’ny FLM Ambatovinaky ny FFKM. Hafatra lehibe tamin’izany ny hoe : tsy hivaha ny krizy raha tsy mifamela ny Malagasy, miaiky ny nataony ny rehetra avy eo mihavana. Marihina fa anisan’ireo nitondra faisana tao anatin’izao fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao ny filoha am-perinasan’ny FFKM, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina. Tsaroan’ny maro, ary fantatra maneran-tany, ny herisetra nihatra taminy ny 17 martsa 2009 teny amin’ny Episcopat. Na ny filohan’ny EKAR mpanoina ny fanasan’ny Fahefana avon’ny tetezamita aza tsy tazana. Fetin’ny sakramenta masina koa omaly ho an’ny katolika, ary saika prosesiona no nisantarana ny lamesa omaly tamin’ireo izay paroasy afaka nanao izany teto anivon’ny Diosezy noho ny tsy nahafahana nanatanteraka izany teo amin’ny Md Misely Amparibe.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.