Nilamina ny fankalazana ny fetim-pirenena nanerana ny Nosy tamin’ny ankapobeny, na dia tao anatin’ny fizarazarana aza no nisehoan’izany. Samy mandeha dia samy mitady araka ny efa nitaterana azy teto no nanamarihana ny tsingerin-taona faha-51 nahazoana indray fahaleovantena.
Raha ny teto an-drenivohitra dia teo ny fety teo ambany fiahian’ny Fahefana avon’ny tetezamita tetsy Mahamasina. Fa nisy koa teo ankilan’izany ny an’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana, tarihin’ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka tao Behoririka. Toy ny isan-taona dia nisy ny matso miaramila tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina. Nampiavaka azy tamin’ity, dia niseho vatana tao ilay diplaomaty mozambikanina Leonardo Simao, iraky ny SADC manao fanelanelanana amin’ny krizy eto, niaraka tamina ambasadaoron’ireo firenena vitsivitsy dia i Frantsa, Rosia, Torkia, Maraoka, Maorisy, Sonegaly, Soisa, Libia, Sina, India ary Afrika Atsimo manohana izao fitondrana norombahina tamin-kery teny an-dalambe izao, ankoatra ireo diplaomaty hafa. Tsy tazana kosa ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM. Rindrankira maimaimpoana no namenoana ny banga tetsy Mahamasina, ka nihiran’i Rossy ilay «Iny lalana iny». Fa tsy nisy fiatoana kosa na andro iray aza ny hetsiky ny Rodobe tao amin’ny Magro Behoririka tao anatin’iny fankalazana ny fetim-pirenena iny.
Ho azy ireo dia fandaminana ny krizy aloha vao ny mahafinaritra. Fiomanana amin’izany no natao ny sabotsy 25 jona, ka ireo vovonam-pikambanana manohana ny filoha Ravalomanana no nanamasaka azy. Nisy ny kabary politika, ary tonga tao i Manandafy Rakotonirina, izay nanao valin-kafatra ho an’ny FAT sy Dr Simao izay mivoy tato ho ato fa misy fepetra ny ahafahan’ny filoha Ravalomanana mody an-tanindrazana. Nambaran’i Koto fa “ny Vahoaka no hamerina an’Atoa Ravalomanana eto, fa tsy hiantehitra amin’ny Dr Simao”. Nitohy omaly ny hetsika, vory maro nameno kianja ny mpomba ny ara-dalàna nankalaza ny fetim-pirenena. Tonga tao Behoririka nitarika ny hetsika ny Profesora Zafy Albert. Niverimberina tao ny fanontaniana, raha tena mahaleotena marina i Madagasikara. Nohamafisin’ireo nifandimby nandray fitenenana ny hampiharana izay tapak’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nandritra ny fivoriana tao Sandton Afrika Atsimo tamin’ny 11 sy 12 jona 2011 teo. Fa nanamarika ny hetsika tao Behoririka omaly koa ny fidirana nivantana an-tariby nataon’Atoa Marc Ravalomanana, niainga avy atsy Afrika Atsimo. Sambany indray no nandrenesana azy hatramin’ny nahatongavan’ny Dr Leonardo Simao teto, izay nanao fanambarana fa fanitsiana tokana, ny andininy faha-20, mikasika ny fiverenan’Atoa Ravalomanana ihany no hatao ao amin’ilay tondrozotra vita rangopohy teny tamin’ny 09 martsa 2011.
Tsy nanisy setriny mivantana momba io ny tenany, fa nankininy amin’Andriamanitra iny resaka iny. Alahady moa ny andro, izy rahateo Kristianina. “Tompon’ny fahefana, mahalala ny mety sy ny mahasoa ny zanak’olombelona izy ka dia manaiky sy makato izay fandaharany fa dia mino aho fa ho avy ny fotoana hiarahantsika indray hanavotra ny firenentsika”, hoy izy. Nanararaotra ny fotoana niarahabana sy nirariany soa ho an’ny Malagasy tsivakivolo nahatratra ny fetim-pirenena sy ny foloalindahy izay mankalaza ny fetin’izy ireo koa Atoa Ravalomanana sady nankahery ireo mpiara-dia aminy. Fotoana handinihantsika ny zava-misy marina sy hihainoantsika ny feon’ny fieritreretantsika izao, hoy izy, satria mandalo sedra mivaivay ny firenena tao anatin’izay telo taona izay. Nitodika manokana tamin’ny tanora ny tenany, ho sahy hijoro hatramin’ny farany amin’ny tolona hamerenana indray ny ara-dalàna ka ho sahy handray andraikitra, tsy ho kivy na ho ketraka. “Mino isika fa tsy hamela antsika ho irery ireo firenena rehetra eran-tany izay efa nanohana hatramin’izay”, hoy ny filoha Ravalomanana. “Ry Tanindrazanay malala ô, Irinay mba hanompo anao, Ny tena sy fo, fanahy anananay, ‘Zay sarobiby sy mendrika tokoa”. Io ampahan-tononkira amin’ny hiram-pirenena Malagasy io no naniriany mba ho tanteraka tokoa anie ny hetahetan’ny Malagasy. Ny hanatontosana fifidianana hatrany kosa no nasesik’i Andry Rajoelina tao anatin’ny kabariny omaly.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.