Politique

Mahajanga : tsy mahalala izany lalampanorenana izany !


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Akory ny hagagan’ity mpanao gazety vahiny iray raha nanao fanadihadiana momba ny fifidianana tany Mahajanga. Tsy mahalala ny momba izany lalampanorenana izany ny olona any Mahajanga, hoy ity mpanao gazety. Gaga anefa ny tenany nahita ny hamaroan’ny olona tamin’ny fotoana nahatongavan’ny filohan’ny FAT tany an-toerana. Araka ny fanadihadiana nataon’ity mpanao gazety vahiny ihany dia maromaro ny antony mety mahatonga ny fahamaroan’ny olona manatrika fihaonana toa ireny. Eo aloha, araka ny fanazavan’ny tompon-tany, dia tia vao ny olona, eo koa ny fitiavana te ahita fotsiny, ankoatra izay ny hijery fampisehoana, satria amin’ireny fitsidihan’ny filohan’ny FAT ireny dia misy hatrany rindran-kira tanterahana mpanakanto malaza. Araka izany dia diso hevitra raha toa ka mieritreritra fa ny hamaroan’ny olona tonga manotrona no hitokisan-tena fa ho lanin’ny Malagasy tokoa ianao na ny tsangan-kevitrao. Ny fitondrana ankehitriny manko toa matoky tena satria maro mpijery rehefa mikarakara hetsika kanefa izay hamaroan’ny olona izay tsy azo hitsarana ny tena ao am-pon’ny vahoaka. 

Nangonin’i Soa       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT