Politique

Mahajanga sy Toamasina Naato amin’ny asany ny Ben’ny tanàna


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Tsy mitsaha-miitatra ny fanilihana ireo Ben’ny tanàna tsy miara-dia amin’ny fitondrana. Lasibatra koa izao ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga, Andriatomanga Mokhtar Salim.

Naaton’ny Fanjakana tamin’ny asany ity olomboafidy MAPAR ity. Nivoaka teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny didim-pitondrana ny alakamisy teo ny fampiatoana azy tamin’ny asa maha Ben’ny tanàna azy, tohin’ny fanapahana noraisin’ny mpanolotsain’ny tanànan’i Mahajanga, noho ny ambara fa tsy fahaiza-mitantana. Antony izay mampametra-panontaniana ny maro ihany, satria ny kaominina ambonivohitra Mahajanga dia nahazo fankasitrahana noho izy voalohany teo amin’ny fangaraharan’ny fitantanana ara-bola sy tetibola. Mihevitra ireo mpomba an’ity Ben’ny tanàna miara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina ity fa antony politika no nampiatoana tamin’ny asany an’i Andriatomanga Mokhtar Salim. Tsy mbola naharay taratasy fampilazana io fampiatoana azy amin’ny asany io ity farany, raha ny omaly, saingy manomboka miakatra ny feo ao an-toerana, indrindra avy amin’ireo nifidy azy fa tsy hanaiky mora izao tetika hanilihana an’i Mokhtar amin’ny fitantanana ny tanànan’i Mahajanga izao. Tany Toamasina ihany koa, taorian’ny adihevitra nangotraka sy nafana nifamaliana teo amin’ireo ekipan’ny Mapar sasany an-daniny sy ireo mpanolotsaina hafa an-kilany dia niroso tamin’ny fifidianana sy fandaniana ny fampiatoana ny ben’ny tanàna Ratsiraka Elysee ireto mpanolotsain’i Toamasina omaly. Niisa 17 tamin’ny 19 izy ireo. Mapar ny roa tsy tonga, ary nivoaka ny trano fivoriana ny Mapar 3. Nijanona ny 3 hafa niaraka tamin’ny namany ka mpanolotsaina 14 sisa no nanao ny fifidianana. Lany tamin’ny vato 12 tamin’ireo mpanolotsaina 14 nifidy ny fampiatoana an’ingahy ben’ny tanàna amin’ny asany, iray avy kosa nanao vato fotsy sy vato maty. Anjaran’ny prefen’i Toamasina izany no manamarina ity safidy noraisin’ny mpanolotsaina ity sy manao ny tatitra eo anivon’ny praiminisitra sy ny governemanta


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT