Politique

Mahajanga Mivandravandra ny fiantraikan’ny krizy


  • Alakamisy 21 Jolay 2011


 Trano rava sy antontam-biriky sisa ankehitriny ny Magro (Malagasy Grossite) ao Mahajanga Be, renivohitr’i Boeny. Dabam-pako feno mpitsindroka no hita manolotra ity tranombarotra nanana ny toerany sy ny lazany tamin’ny famatsiana ireo entana nilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro ity. Toy ireo orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana tany amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy dia lasibatry ny mpanao fihetsiketsehana tamin’ny 2009 handrodanana ny fitondrany koa ny Magro Mahajanga ary dia niafara tamin’ny fandorana ny trano mihitsy moa izany. Mandatsa anefa ny zava-miseho ankehitriny, satria dia 4'Mi mitsindroka fako no tazana eo, noho izy io lasa toeram-panariana fako koa moa nefa dia biraom-panjakana sy orinasa lehibe toy ny Air Mad, biraon’ny fananantany… ny manodidina azy eo. Mivandravandra loatra ny fiantraikan’ny krizy !

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Magro Mahajanga ankehitriny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT