Politique

Mahajanga Mihetsika ny zanak’i Dada


  • Talata 26 Jolay 2011


 “Tsy ianareo FAT no mila an-dRavalomanana mody fa ny vahoaka Malagasy”, hoy i Sazalahy Tsianihy avy amin’ny Tokobe Telo tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. “Azo ekena ny mamela fa tsy ekena kosa raha nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena”, hoy izy. Mila mavitrika isika amin’ny fitsenana ny Filoha roalahy ary azo antoka fa na ireo FAT koa aza dia hanatevin-daharana antsika amin’ny andro farany. Manao izay asa rehetra hamerenana farany izay haingana ny Filoha Ravalomanana izahay, hoy i Malalatiana avy amin’ny “Collectif des Associations” izay hanao hetsika goavana etsy amin’ny Magro amin’ny sabotsy, na eto an-toerana io na any ivelany, na eny an-dalambe na any anelanelan-trano, ny an-taratasy hatramin’ny eny anivon’ny tranonkala.

Nanitsakitsaka ny safidim-bahoaka ary nahazo fahefana mora ny FAT, hoy izy ka dia ho votsotra mora eo koa izany fahefana izany. Tsy voasakana intsony ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana sy ny fiverenana eo amin’ny fitondrana, hoy i Zafilahy Stanislas. Fambara ny fifaranan’ny krizy daholo ny zavatra mitranga eto an-toerana, hoy izy. Tatitra ny diany nanotrona ny tolona tany Mahajanga no nentin’ny Depiote Rodin Rakotomanjato : “na aiza na aiza toerana misy ny tolona dia tonga izahay manatrika”. “Betsaka ary tsy azo isaina ny zanak’i Dada any Mahajanga. Nangorompotsy ny hetsika tany ny faran’ny herinandro teo. Ary mivonona ny ho avy eto izy ireo hitsena ny filoha Ravalomanana”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT