Tsy mahagaga raha mitaraina amin’ny fijaliana sy fahasahiranana mianjady aminy ny mpiray tanindrazana, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Iray Mahafaritsy Samuel Razakanirina.
Marobe mantsy ireo trangan-javatra tsy voahefin’ny fitondrana ankehitriny. Eo aloha ny firongatry ny tsy fandriampahalemana tena mampikaikaika ny mponina manerana ny nosy. Marary amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fisiana asa ihany koa ny vahoaka eto Madagasikara. Tsy lazaina intsony ny olana eo amin’ny lafiny fananantany miseho amin’ny endrika fibodoana isan-karazany. Mampalahelo manokana ny mpanao politika Mahafaritsy Samuel Razakanirina kosa ny fanaovana tsinotsinona ny tombontsoam-bahoaka. Mila mampiseho fangaraharahana amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny fitondrana Hery Vaovao hoan’i Madagasikara, hoy ny lehiben’ny antoko MIray. Tsy mazava amin’ny vahoaka Malagasy mihitsy mantsy hatreto ny tian’ny fanjakana ahatongavana amin’ny politika fampandrosoana sy ny fandaharanasa tontosaina mifanaraka amin’io lalan-kizorana nosoritany io. Ilaina foanana tanteraka moa ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra mpanao politika sy ny vahoaka mba hisian’ny tena fampandrosoana, araka ny fanehoan-keviny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.