Anisan’ireo mpanao politika tsy dia re feo firy nandritra ny krizy i Mahafaritsy Samuel, izay masoivohontsika am-perinasa any Alzeria, ary efa filohan’ny Antenimieram-pirenena.
Araka ny resaka nifanaovanay tamin’ny mpanao gazety dia noho ny andraikitra niantsorohany amin’ny maha diplaomaty am-perinasa azy no tsy niresahany na nanambarany ny heviny mikasika ny toe-draharaha politika teto tao anatin’izay 15 volana izay. Saro-pady tokoa ny toeran’ny masoivoho satria misolo tena ny firenena sy ny filoham-pirenena any amin’ny tany misy azy any izy, hoy ny nambarany. Nandinika sy namakafaka ny zava-nitranga rehetra no nataony tao anatin’ny krizy, araka ny nambarany. Ankehitriny anefa dia efa manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena i Mahafaritsy Samuel na dia tsy be resaka firy aza ; ary anisan’ireo nanolotra soso-kevitra teny amin’ny CCC momba ny famolavolana ny lalampanorenan’ny repoblika faha-4. Aminy dia tsy misy maharatsy ny fananganana antoko politika mihitsy, raha toa ka izay no hampilamina sy hampandroso ny firenena. Sehatra iray ahafahana maneho hevitra ny antoko politika ary ilaina eo amin’ny fiainan’ny firenena amin’ny ankapobeny, hoy izy.
Mety hanangana antoko politika atsy ho atsy, araka ny filazany ity masoivohontsika any Alzeria ity. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny daty mazava hahatanteraka izany, ary tsy nilaza ny mety ho safidy politikany na ny firehana arahany i Mahafaritsy Samuel ; izy rahateo, araka ny nambara tetsy ambony dia mbola am-perinasa amin’izao fotoana, ka tsy afaka miroboka tanteraka amin’ny sehatra politika. Tsara ho marihana fa anisan’ireo mpanohana mahafatra-po an’i Marc Ravalomanana ary nitolona amam-bolana maro tany Toliara i Mahafaritsy Samuel, voafidy ho solombavambahoaka izy, avy eo ary nisolo toerana an’i Lahiniriko Jean raha voaongana tsy ho filohan’ny antenimieram-pirenena intsony ity farany. Taorian’ny nahavoafidy fanindroany an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2006 anefa dia nanomboka tsy dia re feo intsony ity mpanao politika ity, ary nandeha mihitsy aza ny feo fa anisan’ireo mpiara-miasa tamin’ny filoha teo aloha voailika izy ; voatendry ho masoivoho tany Alzeria moa izy avy eo, ary anisan’ireo tsy nosoloin’ny HAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.