Tsy mbola fotoana izao ilazana ny lesoka hita tamin’ny Comesa fa tokony ho ny tombony hita no jerena, hoy ny praiminisitra Mahafaly Olivier.
Araka ny henontsika tamin’ny lanonam-pamaranana ny Comesa dia nisaotra ireo filohana andrim-panjakana nandray fitenenana izy. Gaga izy ireo fa hay tsy fahantrana ihany no eto fa mba misy zavatra tsara ihany koa. Tokony hivoy izany ianareo namana mpanao gazety. Tombony lehibe, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe tsy mbola nisy fihaonambe toy iny Comesa vita omaly iny teto amintsika tao anatin’ny 50 taona. Nahita seha-pihariana koa ireo mpanao asa tanana, toy ny fividianan’ireo mpizaika nandalo teto ny vokatr’izy ireo. Toy izany koa ny hotely satria dia nisakafo sy natory tao ireo vahiny. Misaotra ny vahoaka Malagasy aho tamin’ny fitiavan-tanindrazana nasehony nahatontosana izao fihaonambe izao ary maniry ny mbola hitoizan’izany amin’ny frankofonia, hoy izy.
Mirija
Sary: Njaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.