Politique

Mahafaly Olivier Halefa ambasadaoro any Frantsa ?


  • Talata 21 Febroary 2017

Hahatratra ny faherintaonany amin’ny aprily 2017 sa ho rava alohan’izay ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ? Re miverimberina tato ho ato mantsy ny hanovana io governemanta am-perinasa io.

 

 Loharanom-baovao samihafa aza no milaza fa efa misy fandraisana izay arahina fanadinkadinana ireo olona heverina fa hotendrena minisitra hampidirina ao anaty governemanta vaovao. Mbola ireo loharanom-baovao ireo hatrany no milaza fa roa ny tranga mety hiseho. Na tazomina amin’ny toerany ny praiminisitra Mahafaly Olivier, fa ireo toerana roa banga dia ny minisiteran’ny Atitany, izay izy praiminisitra hatreto no mampivady ny asa maha lehiben’ny governemanta azy amin’ny asan’ny minisitry ny Atitany ; eo koa ny minisiteran’ny Angovo izay mbola banga ny toerany taorian’ny nahafatesan’ny minisitra tompon-toerana, Ramanantsoa Rodolphe ny 20 aogositra 2016. Mbola ny loharanom-baovao hatrany anefa no mahita fa mety ho sarotra ny hitazona ela an’i Mahafaly Olivier ao Mahazoarivo sao ifindran’ny viriosin’ireo praiminisitra teo alohany, Monja Roindefo sy Camille Vital, izay nirotsaka hofidiana filoham-pirenena avokoa. Nahavita be ho an’ny HVM, izay antoko eo amin’ny fitondrana, tamin’ny fifidianana kaominaly sy Loholona ny taona 2015 ireny anefa i Mahafaly Olivier ka sarotra ny hanilika manta azy toy ny vato natsindry ahazana, ka eo no isian’ny vinavina handefasana azy ho ambasadaoro Malagasy any Frantsa, ary dia mety ho i Solonandrasana Mahafaly Olivier amin’izay no hisantatra ny fanendrena ambasadaoro ao anatin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity. Mety hanahirana anefa ny hametraka azy eo ambany fitantanan’ny minisitry ny raharaham-bahininy Atallah Béatrice, ka mety hakisaka ao amin’ny minisiteran’ny Atitany ity farany, hanomana ireo fifidian-ko avy. Manana traikefa amin’izany rahateo i Atallah Béatrice, fony izy filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny tetezamita (CENI-T) nikarakara ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka nivoahana tamin’ny krizy, niakaran’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT