Politique

Magro Ramatoa iray voatifitry ny Emmo-Reg


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Raikitra indray ny tifitifitra tetsy Behoririka ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Nisahotaka ireo olona tao amin’ny Magro rehefa nanipazana baomba mandatsa-dranomaso izay tsikaritra fa lasa tena mahery vaika.

Samy nanavotra ny ainy nivoaka ny olona ary raikitra ny hitsakitsaka. Tao anatin’izay savorovoro izay no voatifitra teo amin’ny sorony i Mme Jackie, mipetraka etsy Ankadifotsy, mpitolona mafana fo ao amin’ny Magro, mpikambana amin’ny antoko Madagasikara Firaisankina ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana. Rovitry ny fonona grenady ny tanany havia ary voatery nentina tany amin’ny mpitsabo iray teo amin’ny manodidina izy nialoha ny nitondrana azy teny amin’ny sampana fameloman’aina etsy amin’ny hopitaly Hjra. Teny no nahafantarana fa nisy tapaka ny tanany, ary nandalo fandidiana. Efa nahatsiaro tena io farany omaly saingy mbola tazomina kosa ao amin’ny hopitaly mba hanaraha-maso ny fahasalamany. Nisy ihany koa ny naratra maromaro saingy ratra madinidinika ihany ireo vokatry ny savorovoro teo am-pivoahana. Mitaraina ireo olona ary mametra-panontaniana hoe aiza ihany izany no haleha ? Sady tsy omena toerana hanehoan-kevitra no mbola hazaina ao amin’izay toerana kely mba hahafahany mifampitafa amin’ny mpiray hevitra aminy ihany koa. Ny hiafarany angamba dia hosamborina ihany koa izay rehetra tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana ka miresaka izany eny an-dalambe... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT