Politique

Magro Ny tolona, 19 volana aty aoriana


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Raha ny toromarika teny amin’ny kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka ny talata lasa teo dia tokony ho nifamotoana teny Mahamasina ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo omaly alarobia.

Tsy raikitra anefa ny fihaonana noho ny tsy fahamatorana eo amin’ireo mpitarika. Araka ny fanazavana, dia efa nahafantatra ny fikambanam-behivavy fa tsy ho raikitra io fotoana io kanefa tsy nampilaza ireo mpanara-dia. Na ireo lohandohan’ny mpisorona sasany koa aza dia tsy nahafantatra ny fisian’io fihaonana io. Ny tena nahazendana, ny KMFB izay rantsamangaika iray ao anatin’ny Ankolafy Telo dia lasa nitsangatsangana omaly ihany.

Manoloana izany indrindra dia antso no nataon’ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas fa “aoka tsy hisy olona hampizarazara vahoaka intsony. Aoka izay ihany koa ny kajikajy politika. Aza aseho ny fitiavana seza na ankolaka na mivantana. Ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy dia eny amin’ny Magro ihany no mifamotoana ny rehetra, ny alahady kosa no hanatontosana izay fandaharam-potoana hafa”, hoy i Zafilahy. Hita ho somary vinitra sy hentitra kosa moa ny dokotera Julien avy amin’ny ankolafy Zafy Albert nilaza fa dia “sokajiana ho toy ny mpamadika ny tolona izay manohy izany fomba fanao izany”. Anisan’ny antony tsy hahataritan’ireo Ankolafy Telo ny vahoaka ny fomba fiasa tsy mirindra toy izao. 19 volana taorian’ny nisehoana ankalamanjana nitakiana ny hiverenana amin’ny ara-dalàna dia mbola misy hatrany ny lesoka. Fiainam-pirenena anefa no resahina eto ary mpanongam-panjakana no fahavalo. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT