Politique

Magro : Mila miverina Ravalomanana


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010


Mazava ny zava-misy amin’izao fotoana izao, hoy Rakotovazaha Olivier, fa tsy misy tetezamita azo hatao raha misy an’i Andry Rajoelina. Tsy misy dikany ihany koa ny fanjakana raha mbola any ivelany Ravalomanana sy Ratsiraka, hoy ihany izy. Tsy hampifidy ny Tsia ny Kmfb, hoy ity sekretera jeneralin’ny MFM fa hanapotika kosa ny fitsapan-kevi-bahoaka. Ny filma tany Maoritania no tiana haverina eto Madagasikara, hoy ihany izy. Manoloana ny fanazavan-kevitra nataon’ny TGV tetsy Mahamasina kosa dia nambarany fa ny vahoakan’Andralanitra sisa no vahoakan’i Andry Rajoelina. Jonobotry maro, hoy i Zafilahy Stanilas no nalefa teny Andralanitra naka ireo olona ireo. Tetsy andanin’izany, dia anisan’ireo tonga nanatevin-daharana ny teny amin’ny Magro koa ny solontenan’ny Front Démocrate Républicain. Nambaran’ingahy Dezy izay fantatry ny maro amin’ny hoe “Dezy Hidio” fa mila miverina sy miasa eto Madagasikara Ravalomanana ary raha te handroso tokoa isika dia Ravalomanana ihany no tokony ho filoha. Amin’ity herinandro ity moa raha tsy misy ny fiovana dia hisy ny fihaonana miavaka in-droa hataon’ny ankolafy 3 sy ireo mpanara-dia azy etsy amin’ny kianjan’ny Malacam.  

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT