Na dia efa nambaran’ny mpitarika ny zoma aza fa tsy hisy ny hetsika ao amin’ny Magro ny sabotsy fa hamonjy an’Antsahamanitra hiara-kiombom-bavaka amin’ny Vondrona Kristiana ny rehetra, dia tsy nanaiky ny olona fa vao nirava avy ao Antsahamanitra dia nanao diabe nihazo an’i Behoririka ho any amin’ny Magro.
Niaretan’izy ireo ny hanoanan’ny vatana fa ampy ho vatsy ho azy ny vavaka tao Antsahamanitra. Nanao rodobe nitanjozotra am-pilaminana nidina an’Ampasamadinika, nahazo an’i Tsaralalana, nandalo ny Kianjan’ny 13 Mey, nidina an’i Soarano nipaka tao amin’ny Magro izy ireo. Niatrana teny amin’ny araben’ny fahaleovantena ny Emmo-Reg saingy nitazana fotsiny ihany ireto zanak’i Dada ireto. Nilamina tsy nisy fanelingelenana famoivoizana rahateo ny dian’izy ireo. Tsy nampoizina ity hetsika ity. Na tampoka aza dia vetivety monja dia tomefy olona ny Magro Behoririka. Raikitra ny fifampizaram-baovao sy ny kabarin’ny mpitarika. Tonga teny ry Constant Raveloson, ny depiote isany Andriambelosoa Barijaona sy Zafilahy Stanislas, Pastera Edouard, Rév Ndriamanampy…
Mijaly ny vahoaka ary nampidirin’i Andry Rajoelina an-davaka ny firenena, hoy ny pastera Edouard, ka tsotra ny vahaolana dia ny fialany. Ny Tsena Mora koa no niompanan’ny kabaran’i Constant Raveloson. Namoaka bala farany i Andry Rajoelina, hoy izy nefa tsy hamafa ny helony anefa izany. Ireo mpandraharaha niaraka taminy ihany io anaovany valim-pitia io nefa koa mampirisika ny olona hanao risoriso indray. Na izany aza dia naneho ny ahiahiny, i Constant Raveloson, sao ho famotsiana vola maloto io Tsena Mora io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.