Politique

Magro Behoririka Voakihana ireo mpanelanelana mozambikana


  • Zoma 24 Jona 2011

Nanodidina ny resaka fahatongavan’ny iraky ny SADC, Dr Leonardo Simao eto Madagasikara ny kabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Tonga eto indray ilay mpanelanelana malaza mitanila, ka ahoana no handravany ny governemata nefa azy io, hoy ny Pasitera Edouard. Vahaolana ho an’ny Malagasy anefa no tadiavina ary ny vahaolana hatreto aloha dia ny fiverenan’ireo filoha roalahy tsy misy fepetra. Ary amin’ireto mpanelanelana ireo dia miova isan’andro : mody, tsy mody, mody tsy misy fepetra, misy fepetra tsy hay intsony. Raha namono olona tokoa Ravalomanana, maninona izy no mikiribiby hody ? Ary iza no nahita azy nitam-basy na nampamono ? Aiza ny vavolombelona amin’izany ? Asaivo mijoro, hoy izy. “Tsy fanaovana “business” i Madagasikara.

Raha mbola mivilivily ny resak’i Simao dia tsy ekena intsony”, hoy i Manoela nanohy. Nanao fanamarihana ny Dr Julien nilaza fa “mahavalalanina ny fitondrana ny fanelanelanana eto Madagasikara. Ny olona efa tsy nahavita mbola miverina ihany, ary tsy hoe tsy nahomby ihany fa mampiady mihitsy. Vao tonga dia hafa ny resaka nefa hafa ny tapaka. I Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM no nanaza fa “tsy ry Joaquim Chissano intsony no miandraikitra ny olana eto Madagasikara fa ny Troika, ka dia irak’i Chissano izany ry Dr Simao ireny Dr Salomao ireny ; tsy nahazoana vahaolana ary tsy ela ny valiny nataon’i Kabila sy Zuma”. “Ary hahita vahoaka ianao ry Simao raha miteniteny foana”. hoy ny Depiote Rodin.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT