Politique

Magro Behoririka Tonga maro be ny olona na dia teo aza ny fihantsiana


  • Alatsinainy 21 Jona 2010

Na dia teo aza ny karazana fihantsiana, toy ny fisiana mpitandro ny filaminana nihaodihaody, ny nizoran’ireo mpanao karnavaly niakanjo volomboasary nanodidina ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo, tsy nampihemotra ireo vahoaka ary tsy nahalatsaka azy ireo tanatin’ny fandriky ny savorovoro izany.

Nizotra araka ny tokony ho izy ny lahateny isan-tsokajiny na dia tsy dia lavorary aza ny fanamafisam-peo. Tonga marobe ihany koa ny olona nanoina ny antson’ny ankolafy 3 ary dia betsaka ireo nitondra sora-baventy naneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo izao fahefana najoro amin-kery izao. Voarakitra an-tsary sy feo avokoa moa izany rehetra izany, ary tsy ny teto an-toerana ihany fa teo anatrehan’ireo mpanao gazety vahiny ihany koa ny zava-nisy na ny tao anatiny nisy ny kabary samihafa na ny tety ivelany nahitana ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ny lahateny nataony no nanambaran’i Camille Mektoub fa mpiasam-panjakana ambony roa no nilaza taminy fa hoe “nangataka ny hamitany ny 26 jona ingahy Rajoelina”. “Nandalo ny rivodoza, mandripaka ny valala, manjaka ny fisamborana sy ny fampihorohoroana fa tsy niloa-bava i Andry Rajoelina”, hoy ihany i Mektoub. Fantatra ihany koa, ankoatra izay fa dia hanao karemy ny antoko AMF/3FM ny 26 jona antoandro ho avy izao miaraka amin’ireo gadra politika. Re ihany koa fa dia mitokona tsy mety misakafo ny renin’i Manoela, ilay solontenan’ny tanora avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, nosamborin’ny zandary ny talata lasa teo ary nalefa any Tsiafahy ny alarobia. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT