Politique

Magro Behoririka ”Ny Vahoaka no mila an’i Dada”


  • Alarobia 20 Jolay 2011

«Na zanak’i Dada na izay nahatsiaro tena ho sahirana dia miandrandra ny fiverenan’i Dada avokoa», hoy i Nenifara solontenan’ny vehivavy TIM tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly

 «Tsy izy Marc Ravalomanana no mila vahoaka fa ny vahoaka no mila azy», hoy izy. «Ho pi-maso no fampilazana amin’ny andro fiverenan’ny Filoha Ravalomanana fa tsy sioka tokana intsony», hoy ny solontenan’ny “Jeunes TIM”. Dia mbola nohamafisin’i Guy Roger ireo rehetra ireo hoe : «tsy miteny intsony isika hoe modia na atero fa miandry anao izahay Prezidà». «Efa ela izany resaka fifidianana izany no re fa ny omaly ihany no androany. Aleo ny antsika ny dihy sy hira hatao any Ivato amin’ny fitsenana ny Filoha no homanina”, hoy i Parfait avy any Anjeva.

Mbola notsinginin-dRostand indray ireo rehetra ireo hoe : «mitovy hevitra aminareo sasantsasany izahay, aleo Ravalomanana ho avy dia ho hita eo satria izahay koa efa vonona efa ela». «Efa manomana ny olona hiakatra ny eran’ny faritra rehefa tonga ny Filoha Ravalomanana ary tsy lainga fa tena mangetaheta ny fodiany ny any ka aiza i Antananarivo ?», hoy i Zafilahy Stanislas. «Hafatra no atolotsika ny GIC sy ny Firenena Mikambana», hoy izy. «Ampy izay fandeferana sy fijerenareo fanahy ny mpanongam-panjakana izay».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT