Hafa tsy toy ny isan’andro ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 17 jolay teo. Nomena lanja manokana ny sosialy teto.
Nisy ny tsara sitrapo, mahatsapa ny halehiben’ny hetsika ataon’ny Ankolafy telo, ho fampanjakana ny demokrasia, ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fahalalahana eto Madagasikara, ka dia mahatsiaro ho manana anjara biriky amin’ny fampanjariana izany. Teto dia tohana ara-tsakafo no endrika nisehoany. Nisy, araka izany, ny fizarana sakafo masaka, nialoha ny kabary fanentanana. Sambany no nisy toy io hatramin’ny nampiasan’ny Ankolafy telo io toerana ao Behoririka io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.