Politique

Magro Behoririka Nofaohin’ny Emmo-Reg ny fanamafisam-peo


  • Talata 25 Mey 2010

Ny sabotsy 22 mey tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany, teo amin’ny fotoana niravan’ny hetsiky ny ankolafy telo tao amin’ny Magro Behoririka Antanimena iny indrindra no tonga tampoka ny miaramilan’ny Emmo-Reg nandraoka ireo fitaovana fanamafisam-peo avy nampiasaina tao.

Efa tafiditra tao anaty fiara tokony hitondrana azy hody ireo fitaovana ireo, ary teo am-piaingana mihitsy io fiara io no nobahanan’ny fiaran’ny Emmo-Reg nakana ireo fitaovana ireo. Ny volana janoary 2010, efa-bolana lasa izay, teny Anosy dia lasan’ireto mpitandro ny filaminana ireto ihany koa ny fa fanamafisam-peo nampiasain’ny ankolafy telo tamin’ny hetsika nataon’izy ireo teo amin’ny zaridainan’Anosy. Tsy nahasakana ny hetsik’ireto ankolafy Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana mitambatra ireto anefa ny fisian’izany. Notetezin’izy ireo Tanjombato, Behoririka, Alarobia, Antsonjombe, Antsirabe ary Toamasina teo anelanelan’izany. Nisy indray ny fanagiazana fitaovana io sabotsy 22 mey io. Nanameloka izany fihetsika izany ny maro, eny fa ireo manohana ny FAT aza. Nanambara ireo mpitarika ny ankolafy telo fa dia hitohy ao Behoririka ny hetsika ataon’izy ireo amin’ity anio ity. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT