Politique

Magro Behoririka Nihoby fandresena omaly


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Nifaly sahady noho ny fanapahan-kevitra navoakan’ny CPS nivory tany Addis Abeba ny talata 12 jolay ny tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

 “Amin’ny ilantsika azy ny tapaky ny CPS”, hoy Rtoa Berthine. “Tsy very maina ny fiaretana tamin’ny tolona”, hoy i Guy Roger. “Tsy ho faly fotsiny isika hoe tonga i Marc Ravalomanana”, hoy izy, fa hamerina azy amin’ny toerana maha filoha azy mihitsy. “Arahaba ririnina ê !”, hoy ny Depiote Rakotomanjato Rodin, “mety amintsika ireny”. “Tsy mampino fa mihoatra ny nandrasana ny vokatra ka asakasak’izay hitsikera sy hitsivalana indray”, hoy i Andriampilamanana Rostand. “Iny izy iny, eto Madagasikara izany no hatao ny fifanarahana politika”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime.

“Ampahafantaro ny rehetra fa rariny ny fitakiantsika”, hoy izy. Nameno izay rehetra izay Ralaimampisainarinony Manoela nilaza fa “izay miaritra no izy, ny fijaliana ho lasa fifaliana”. Nofintinin’ny Pasitera Edouard Tsarahame tamim-pinoana izay rehetra izay nilazany fa raha ny herin’ny olombelona tokoa efa resy kanefa tolona teo am-pelatanan’Andriamanitra ka mahery ny Andriamanitra hivavahantsika. Teneno ny manodidina fa azontsika ny fandresena”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT