Politique

Magro Behoririka Nidiran’ny Emmo-Reg dia noravany


  • Talata 19 Oktobra 2010

Vita ny teny Ambohijatovo dia nihazo an’i Behoririka ireo olona marobe. Nisy ny nentin’ny fo ka nanangana barazy tamin’ny vato sy “betôn” mba hanakanana ny lalana.

Niditra an-tsehatra amin’izay teo ireo mpitandro ny filaminana izay nanaparitaka ny olona tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ary nandrava ny tao anatin’ny Magro ihany koa. Raha rava tamin’io ny hetsika omaly tetsy Behoririka dia mbola nisy toe-javatra mahatalanjona ny maro kosa tetsy Anosy, tao amin’ny lapan’ny fitsarana. Nasaina niverina teny an-toerana daholo indray mantsy ireo rehetra izay efa nahazo fahafahana vonjimaika nandritry ny fitsarana maraina. Hatramin’ireo izay efa notazomina tetsy Antanimora aza dia nampanantsoin’ny mpitsara zokiolona ihany koa omaly tamin’ny efatra ora tolakandro. Raha ny tsiliantsofina heno dia hiampy indray ny fiampangana azy ireo. Re ihany koa anefa fa mety haverina ny fanadihadiana ifotony azy rehetra ireo, olona izay raha hiverenana dia efa tokony hiatrika fitsarana satria efa vita avokoa ny fihainoana sy ny fanadihadiana azy ireo teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana sy ny fampanoavana. Mbola endrika iray mampametra-panotaniana, araka izany, ity fikorontanan’ny fitsarana ireo gadra politika ity. Asa indray izay hitranga anio satria raha ny olona tonga manohina ny antson’ny mpitari-tolona dia tena marobe tokoa.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT