Politique

Magro Behoririka Mihorohoro ny ao an-dapa fa ho avy i Dada


  • Alarobia 06 Jolay 2011

“Tarana-dRadama II i Vakiniadina ary ao aminy ny fitiavana tanindrazana”, hoy Rakotondrazanany Gabriel tao amin’ny Magro omaly.

 Ny anay rehefa eny dia eny, tsia dia tsia, hoy izy, ka izay nanao soa anay ihany ny anay dia tsy iza izany fa ilay mpitondra ronono. Raisinay ho fahavalom-pirenena izay mandroba ny firenena ary manompo ny mpanjanaka. Daty io sisa fa tsy misy afaka manakana ny fiverenan-dRavalomanana, hoy ny Dr Julien nanampy izay. Tsy tanteraka ilay ady an-trano tetehan’ny Frantsay ka dia mihorohoro saina mafy ny FAT, hoy kosa ny fanamarihana nentin’ny Depioten’i Faratsiho teo aloha, Randrianjatovo Henri. Mihorohoro ny ao an-dapa fa ho tonga i Dada ary tsy dila ny volana jolay dia hiseho ny fahamarinana, hoy ny Depioten’Ankazobe Ravelonanosy Mamitiana nanamafy izany. Fa nanembona ny fiaraha-mitolona an-kianja kosa Atoa Raveloson Constant ka nandefa hafatra an-telefaonina nivantana omaly nilaza fa manantena fa tsy ho fahoriana na krizy intsony no hihaonana fa ny hafaliana amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT