Politique

Magro Behoririka Matoky an’i Dada


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Fotoam-bavaka, fifampizarana ny mamy sy sakafo mitam-pihavanana no nanamarihan’ireo mpiaradia ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tsingerintaona faha-63 nahaterahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly tao amin’ny Magro Behoririka.

 Nisy ny hetsika ara-javakanto nataon’ireo artista samihafa. Liana vaovao i Magro omaly, indrindra manoloana ny vaovao niely fa tsy hirotsaka hofidiana Atoa Marc Ravalomanana amin’ny 2013. Samy nangetaheta izay tena dikan’izany, ary raha ho an’ireo mpomba azy manokana dia nanantena fanazavana na koa vaovao fanampiny avy amin’ireo mpitarika. Nandrandrain’izy ireo koa ny nandre ny feon’i Dada saingy araka ny fanazavana dia mbola teny ambony fiaramanidina avy any Tanzania hihazo an’i Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoana nisian’ny hetsika tao amin’ny Magro omaly. Na izany aza dia hita soritra teny amin’ireo vahoaka maro tonga tao amin’ny Magro omaly fa na inona na inona fanapahan-kevitra dia matoky ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo, ary manamafy hatrany ny fanohanana azy amin’ny ezaka fikatsaham-bahaolana ataony, indrindra ny ahafahany miverina malalaka eto Madagasikara.

Ho ahy manokana, hoy ny CST Naika Eliane dia tsotra ny resaka : «Iraka roa no nampanaovina ahy dia ny fodian’ny prezida Ravalomanana sy izy ho kandida. Amiko dia kandida izy”. Ny CT Constant Raveloson kosa dia nilaza fa : “Avelao i Prezida hiteny. Tsara izy miteny hoe inona ny dingana manaraka ?”. Hatreto izany aloha dia samy miandry izay fanazavan-kevitra hoentin’ny filoha Marc Ravalomanana.

Na izany na tsy izany dia nanahiran-tsaina, tsy ireo mpomba azy ihany fa na ry zareo eo anivon’ny FAT aza iny tafa tamin’ny mpanao gazety vahiny nataon’i Marc Ravalomanana tany Dar es Salam, Tanzania ny talata 11 desambra, iny. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana moa hatramin’izay dia roa ny tanjona : ny hampody an’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana sy ny firotsahany hofidiana. Ny vahoaka rahateo no mitaky ny hirotsahany hofidiana, hanavotra an’i Madagasikara, hanohy ny asa fampandrosoana.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT